Hafatry ny Filoha / Febroary 2017

 

Vontosy Filazantsara

ny Nosy Madagasikara!

 

MITSANGANA!  MANDEHANA !

 

Izany baiko roa sosona izany no atolotra antsika eto am-piandohan’ny volana Febroary. Migadona mantsy  ity ilay volana efa nifanafarana hatramin’ny volana Septambra hoe hanombohan’ny fiangonana FJKM rehetra mandeha manao Tafika Masina isam-bolana isam-bolana.

Misaotra anareo efa niainga!

 

Misaotra ny Tompo lehibe ny aminareo rehetra izay efa tena nivavaka mafy, nikaon-doha nandrafitra fomba fiady hanatanterahana ity tafika masina ity, nanao ny fandaminana rehetra, ary dia efa miroso izao. Mivavaka amin’ny Tompo JESOA ho anareo mba hiasa mahery ny Fanahy Masina ka ho maro ny olom-bonjena hanampin’ny Tompo! Mivavaka amin’i Tompo JESOA mba hirindra ny asa ka ho ao anatin’ny fifaliana, ny fitiavana sy ny fifankatiavana, ary ao anatin’ny fahavitrihana no hanaovana izao ezaka lehibe izao. Ny fahavitrihana irina dia ny hoe : tsy ho olona vitsivitsy ihany no hirotsaka an-tsehatra fa mba ho maro ny handray am-po ny baikon’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”, ka hitomban-dahy,  hahafoy tena sy fotoana, eny, vola aman-karena koa aza mba hampahombiazana izao Tafika Masina isam-bolana izao!

 

Misaotra anareo vao hiainga!

 

 Noho ny antony samy hafa dia mety mbola eo am-piomanana ny sasany amintsika. Tsy mbola diso aoriana akory izao. Mitsangàna, ry havana, mandehana! Aza hadinoina fa fifaninanana masina no ataontsika, fihazakazahana hankato an’i JESOA Lohan’ny Fiangonana. Aza hadinoina fa ny fivavahana hafa ange ka mandeha mafy e! Tena tsy miroa fo mihitsy ry zareo! Dia havela hangaihay ve i JESOA Tompontsika, fa ireo manompo andriamani-kafa, mavitrika; isika kosa matoritory?

Havelantsika handihy ve i Satana afaka nampangatsiaka ny fontsika, sanatria, tsy hanefa Ilay Iraka Lehibe hanao mpianatra ny firenena rehetra, manomboka eto Madagasikara? “TSIA”! Sanatria izany!

ANTSO MANOKANA

 

Mangataka am-pitiavana anareo fiangonana na synodamparitany efa tena miroso amin’ny Tafika Masina isam-bolana mba handefa aty amin’ny Filohan’ny FJKM ny tantaran’ny Ezaka ataonareo mba havoakantsika eto amin’ity Gazety mamintsika ity. Misaotra anareo mialoha fa tena ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fifampaherezana lehibe tokoa ny hahafahantsika mifampizara eto ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra taminareo sy niaraka taminareo ary tamin’ny alalanareo! Alefaso àry ny vaovao! Aza atao lava loatra fotsiny fa antonony ihany ny gazetintsika ! Dia misaotra mialoha hotahin’i JESOA, mba tsy ho teny foana ny vinantsika hoe:

 

“VONTOSY FILAZANTSARA

 

NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV