Fahaiza-mitantana / Ny asa sy fotoana lany

 

NY ASA SY FOTOANA LANIN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA

Hatrany hatrany, dia misy sokajy telo (3) ny mpiasa rehetra, dia ny mpiasa tsotra (cadres inférieurs), ny mpiasa antenantenany (cadres intermédiaires), ary ny mpiasa ambony (cadres supérieurs). Samy tompon’andraikitra izy telo tonta ireo, saingy ny fandraisany andraikitra no tsy mitovy.

P.O.D.C.

Misy zotrany efatra mifanohy amin’ny asa ataon’ny tompon’andraikitra.

Planification -faritana ny Tanjona,

-rafetina ny Paikady,

-volavolaina ny Tetibola

Organisation -fantarina ny asa tsirairay rehetra

-avondrona izay miaraka

-tendrena ny tompon’andraikitra isaky ny vondron’asa

-apetraka ny fifandraisan’ny vondron’asa misy

Direction -fanetsehana ny mpiasa harisika,

-fampitam-baovao

-fitarihana mazava

-fanofanana mitohy

Contrôle -jerena ny Vokatra azo

-ampitahaina amin’ny tanjona napetraka

-famantarana ny anton’ny tsy fitovian’ny Vokatra sy ny Tanjona

-fanitsiana izay elanelany.

 

 

FOTOANA

Eto dia atolotra ny fotoana atokan’ny tompon’andraikitra ho an’ny P.O.D.C.

 CADRES Planification Organisation Direction Contrôle
C. inférieurs (Fiangonana) 15% 24% 51% 10%
C. intermédiaires (SP) 18% 33% 36% 13%
C. supérieurs (Foibe) 28% 36% 22% 14%

 

Ny tompon’andraikitra dia tsy mahay tsara ny toerany ao amin’ny Fiangonana na Orinasa. Ireo natao soratra matavy ireo no tena tadiavina aminy. Ohatra, ny “cadres inférieurs” dia mifantoka betsaka amin’ny “direction” (51%) ny fotoana hiasany. Manaraka azy eo ny fotoana ho an’ny « organisation » (24%). Dia toy izany hatrany ireo « cadres » roa hafa.

Ny fanaovana “bingo manao matso” no tena mampikorontana ny asa atao sy ny fotoana lany amin’izany. Ohatra, ny “cadres supérieurs” (Foibe FJKM) dia tsy mifantoka amin’ny Planification sy ny Organisation. Ny « cadres intermédiaires » (Synodam-Paritany) dia misisika mafy ao amin’ny Planification, raha ny Organisation sy ny Direction no tena andrasana aminy.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV