Fahaiza-mitantana/ Mahay mifehy fotoana

 

LALÀNA FITO MAHAFEHY NY FOTOANA

Efa zary resabe ity tsy fifehezana fotoana ity, amin’ny sehatra rehetra. Ary tsy manavaka io   na mpitondra ambony na olona entina. Ny zavatra iaraha-manaiky kosa aloha dia izao: rehefa malalaka ny fotoana anaovana asa, dia tsy mety vita io. Mampiseho izany fa, mifandray ny asa sy ny fotoana anaovana azy. Ireto misy LALÀNA FITO navoakan’ny mpandinika hifehezana ny fotoana.

LALÀNA 1: ASIO FOTOANA MALALAKA HO AN’NY TSY AMPOIZINA

MURPHY  no namoaka io lalàna io. Ho an’ny asa tsy mbola voafehy tsara, satria mpiasa vaovao, na asa vaovao, no tena iantefan’izany. Mitombo kokoa ny fotoana hanaovana azy, noho, izay antony izay. Eo koa anefa ny antony tampoka, toy ny fahavoazana ara-teknika, ny afitsoky ny fitaterana, ny fahosan’ny fitaovana. Asio fotoana ho an’ny tsy ampoizina izany rehetra izany. Rehefa mifanizina loatra ny fandaharam-potoana, dia reraka manenjika izany isika, ka tsy tsy hahafapo ny           asa vita avy amin’izany..

LALÀNA 2: FARITO NY FOTOANA

PARKINSON no nanao ity lalàna ity. Rehefa tsy nofaritana ny fotoana ho an’ny asa iray, dia haka ny fotoan’ny asa hafa io. Alaivo sary an-tsaina izao: tsy misy fotoana voafaritra hanaovana fanadinana taranja samihafa. Dia azo antoka fa, izay tian’ny mpiadina ihany no omeny fotoana sy vitainy. Ny ambiny dia tsy tavela eo. Mety hitranga koa ity: raha asa tokony ho vita 1 andro, dia tsy ho vita na herinandro aza, satria tsy voafaritra mialoha ny fotoana atokana ho azy.

LALÀNA 3: MAKÀ FIATOANA

ILLICH no tompon’ity lalàna manaraka ity. 45 minitra, hoy izy, no tena mamokatra ny mpiasa. Aorian’izay, dia mihena tsikelikely ny fahombiazany, ary mety hiafara amin’ny vokatra ratsy mihitsy izany. “Principe de contre-productivité” izany fotokevitra izany, hoy izy. Rehefa miato kely kosa isika, dia miverina indray ilay fahafenoan’ny fifantohana ho amin’ny famokarana, toy ny teo aloha io.

LALÀNA 4: FERO NY FIATOANA

CARLSON dia mametraka ity  lalàna ity. Misy hatrany ny anton-javatra manapatapaka ny fanaovana ny asa sy ny fifantohana aminy. Mety hahatratra 25 minitra na mihoatra mihitsy izany. Ireny vahiny tsy naka fotoana hihaonana ireny, ny telefaona maneno, ny famakiana mailaka na hafatra ireny, ny olona mpiara-miasa tonga hila hevitra ireny: mihinana fotoana (chronophage) avokoa izany, ka ilaina ferana sy alamina mialoha.

LALÀNA 5: MIFANTOHA AMIN’NY ZAVA-DEHIBE

PARETO no tompon’ity lalàna ity. Hitany fa, ny 80% amin’ny vola miditra ao amin’ny firenena italiana, dia lasan’ny 20% amin’ny Italiana, tamin’ny taona 1906. Io lalàna hitany io no nahazoany nilaza koa fa,  raha ny fifantohana amin’ny 20% amin’ny asa hiteraka vokatra 80%: izany no tokony ataon’ny mpiasa rehetra. Tsy afaka hieritreritra zavatra hafa noho izay zava-dehibe isika eo.

LALÀNA 6 :MIRONA AMIN’NY FOTOANA

FRAISSE kosa dia nahita ity lalàna manaraka ity. Manana fironana hanao izay asa tiana sy mahafinaritra azy ny olona. Io ny asa vitany haingana, ataony voalohany, nefa tsy voatery ho zava-dehibe iankinan’ny fahombiazan’ny asa aza. Arosony ary ny lalàna fa, tokony manome fotoana ho an’ny asa sarotra sy mafy isika, mba tsy ho voafatotry ny asa tiana atao fotsiny.

LALÀNA 7 : IZAY ASA SAROTRA NO ATAO VOALOHANY

LABORIT dia mametraka izao lalàna izao. Voajanahary amin’ny mpiasa ny mandositra asa mafy hahatonga stress na raritsaina ho azy. Ary mitady fahafinaretana izy amin’izany asa ataony izany, mampiasa hery kely fotsiny. Io dia lazainy hoe “programme biologique de survie”. Ho fiadiana amin’izay, hoy izy, dia izay asa sarotra sy mafy no atombohy voalohany. Ary rehefa vita izany, dia omeo sitraka ny tena: miato kely, miala voly, manao asa mahafinaritra, sns.

Nahoana moa ary, raha atomboka avy hatrany ireo lalàna ifehezana ny fotoana hiasana ireo?

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV