Sabotsy 21 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Apokalypsy 1.4-8

Jesoa Kristy  vavolombelona marina

1-Mpitondra fahasoavana  sy fiadanana

Manao  ny fiarahabana Apostolika i Jaona Apostoly ary voatonona mazava eto ny Ray , ilay ankehitriny  sy taloha  ary ho avy , ny Fanahy masina , Fanahy fito , ary i Jesoa vavolombelona marina sy lahimatoa  amin’ny maty  ary lehiben’ny mpanjaka. Anaram-boninahitra feno sy miezinezina  no hanononana sy hanomezana fahasoavana sy fiadanana ho an’ny Fiangonana . Herim-pandresena sy voninahitra  no fonosin’ireo anarana ireo . Fiarahabana  ny fanononana fahasoavana  sy fiadanana  ao am-piangonana  sy hahazoany  mijoro  ho vavolombelona koa izany . Mpitondra fahasoavana sy fiadanana  ho antsika i Jesoa , Ilay vavolombelona marina . Koa  aza raisina am-pahazarana  ny fahasoavana sy fiadanana tononina amin’ny anarany ho antsika .

2-Tia  sady manafaka antsika

Ny and 5 no milaza ny asa lehibe nataon’i Jesoa Kristy  ho antsika . Tia antsika Izy  ary  nanafaka antsika  tamin’ny Rany .Ny Rany nalatsaka  dia manambara  ny nanolorany  tena ho sorona mba hisolo  antsika , mba hanafaka antsika satria isika mpanota sy nanao ratsy . Nesoriny teo isika , nosoloiny ny tenany , ka afaka  sy toa tsy  manan-tsiny . Tia antsika ka manafaka antsika , Ilay vavolombelona marina .

Fanontaniana:

Ahoana ny fandraisantsika ny fiarahabana apostolika ao am-piangonana isaky  ny miangona ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV