Alakamisy 19 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

1 Samoela 20.9-15

1-Manamafy  orina  ny fanekena atao Izy

Mpinamana nifankatia i Davida sy i Jonatana , na dia nifofo  ny ain’i Davida aza i Saoly  , mpanjaka rain’i Jonatana . Noho izany  , dia nanao fanekena tamin’i Davida i Jonatana , ka nilaza fa tsy maintsy  hanambara  amin’i Davida izay tokony ho fantany  momba ny hevitry  ny rainy izy . Nantsoina ho vavolombelon’ny fanekena ny Tompo , hanamafy orina ny fanekena , ho fantany isika na hivadi-panekena na handainga na hihatsaravelatsihy .

2-Manatrika amin’ny toerana rehetra Izy

Nifampitaona mangina tany an-tsaha  izy mirahalahy , nanao fanekena , saingy  vavolombelona ny Tompo . Manatrika Izy  na dia  any amin’ny toerana mangina aza . Hitany  sy reny  avokoa  ny ataontsika sy ny lazaintsika . Tsy  eny ambony alitara  na any am-piangonana  ihany   no hanaovantsika zavatra « eo anatrehan’ Andriamanitra » , fa hay vavolombelon’ny tsara  sy ny ratsy ataontsika  sy ambarantsika  any amin’ny toerana rehetra Izy .

3-Loza  ho an’ny mpivadika ny maha- vavolombelona

Tsy vavolombelona ny vavolombelona raha tsy sahy milaza ny marina hitany sy reny . Tsy vavolombelona raha  tsy sahy mijoro . Rehefa antsointsika   ho volombelona  ny Tompo  dia haharihariny  amin’ny fotoana iray ny marina , satria tsy misy takona izay tsy haseho . Koa tandremo  fa ny tenin’ny vavolombelona  dia manafaka antsika na mandetuka ny mpivadi-panekena.

Fanontaniana:

Inona avy no niantsoanao ny Tompo ho vavolombelona ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV