Alarobia 18 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Hebreo 13.7-16

Mitondrà tena amin’ny maha- mpino kristiana

Inona avy no atao amin’izany ?

1-Tahafo ny finoan’izay nitarika antsika :

Izany no toetra ampitain’ny and 8: »Tsarovy ny mpitondra anareo … ka araho  ny finoany « . Maro amin’ny mpitory ny Filazantsara no nanome ohatra tsara amin’ny finoana . Aoka tsy ho  toetrany  ivelany no hotahafina  fa ny finoany . Ianaro ny fiainan’ireo zoky am-pinoana, mpitarika , tsara laza tamin’ny finoany. Ny handraisana lesona avy amin’ny fiainan’izy ireny no kendren’ny Epistily ho an’ny Hebreo ka hitanisany ny finoan’i Abrahama , i Isaka, i Mosesy sy ny maro hafa(toko11) .

2-Miorena amin’ny finoana noraisintsika

Mitaona antsika hifantoka amin’ilay tsy miova ny and8-9 sady  mampitandrina antsika amin’ny fampianarana manaitaitra . Miorena amin’ny finoana marina  fa tsy manaitaitra . Miorena amin’ny finoana marina fa tsy amin’ny fombampombam-pivavahana  indrindra ny sakafo izay fady amin’ny hafa  nefa azo hanina ho an’ny sasany . Tsy fombafomba no hamonjena antsika fa fahasoavana .

3-Manolora sy manomeza ho mariky  ny fitiavana

« Aza manadino  hanao soa fa izany  no fanatitra ankasitrahan’ Andriamanitra ( and16) . Tsy mba manao fanatitra  tahaka ny Jiosy ny  kristiana. Fanatitra hafa no asaina ataony dia ny fiantrana , fanomezana sy fanolorana ho an’ny tsy manana. Mariky ny fitiavana izany , sady famonjena ny hafa toy izay nataon’i Jesoa .

Fanontaniana:

Moa misy toetra na fitondrantena hafa mbola hitanao ao amin’ity perikopa mofonaina ity ? Lazao !

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV