Talata 17 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

ISAIA  49.7-13

1-Ny andraikitry ny olomboavonjy

Misy mpanompo iray antsoina hoe: »Mpanompon’i Jehovah » . Izy no lazaina hoe: »ianao » na « anao »amin’ity Mofonaina ity . I Jesoa Kristy io  araka ny hevitra kristiana , kanefa  mety  ho isika  fiangonana voafidy sy voaantson’ Andriamanitra koa. Olona nohamavoina sy natao tsinotsinona ity  mpanompon’i Jehovah ity  , nefa  novonjena ka omena andraikitra indray araka izao :

2-Hanangana ny rava

Lao ny tanin’ Israely , fa voatery nilaozana noho ny fahababoana , nodorana ho may  ary rava ny tanàna , potika ny lova izay ny tany sy firenena (and8b). Antsoina hanangana sy hanarina izany ny oom-boavonjy . Tsy mahazo mipetrapetraka izay mahatsiaro ho voavonjy . Koa raiso ny andraikitra fa olomboavonjy ianao . Lao sy mahonena ny tanintsika , potika ny firenentsika noho ny fahalovana sy fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana .

3-Mitondra fanafahana

Ny and 9 dia milaza andraikitra hafa koa . Fanafahana ho an’izay  mifatotra sy migadra , ary fitondrana ny mbola ao amin’ny maizina ho amin’ny mazava . Adidy apetraka amintsika izany hitady hevitra hanafahana izay ampijaliana tsy an-drariny sy atao an-tranomaizina tsy amin’antony  sy tsy  misy fitsarana akory .Nananafaka anao ny Tompo , ary vavolombelon’izany ny nanirahany  an’i Jesoa . Koa araka izay nataon’ny Tompo tamintsika no ataontsika amin’ny hafa koa . Raiso fa adidinao izany .

Fanontaniana:

Mety  mifandray tokoa ve ny andraikintsika sy izay nataon’i Jesoa Kristy ? Hazavao . Ohatra : Jao 14.12

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV