TATITRA / Fanokafana ny Taompiasana 2017

 Fanompoampivavahana lehibe

COLISEUM Antsonjombe

Alahady 15 Janoary 2017

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.8a)

Tanteraka soamatsara tamin’ny endrika miavaka ny Fanompoampivavahana nokarakarain’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara  omaly Alahady 15 Janoary 2017 ,nanomboka tamin’ny 10 ora sy sasany , teny amin’ny Sehatra malalaka  Coliseum Antsonjombe  .

Fanompoampivavahana fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra noho ny taon-dasa 2016 Ary ho fangataham-pitahiana ho an’ny Taom-piasana 2017 sy  ho an’ny ankohonan’ny Filohan’ny FJKM sy ny ankohonany .

Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Mpanolontsaina BMF .

Nitoriteny : ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis , Filoha Mpanampy BMF.

Nanao ny Vavaka vakiteny:RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpanolotsaina BMF.

Soratra masina :

-Isaia 49.7-13  ( Tonia STK )

-Mat 17.1-9 ( PS Arivonimamo)

-1 Jao 1.5-10 ( Tale AFF)

Fintin’ny Toriteny :

1 Jaona 1 1.5-10

Mila mandeha amin’ny mazava isika . Misy AINA ao amin’izay mandeha amin’ny mazava . JESOA KRISTY no fototra mahatonga ny mazava . Tsy manan-draharaha amin’ny maizina ny mazava . Ny maha-kristiana : tsy anarana entina fa TOETRA. Mila miala amin’ny maizina ho ao amin’ny mazava isika.

Nahoana no rakotra aizina ny tontolo misy antsika nefa marobe toy izao ny kristiana ? Mampieritreritra!

« Manankarena manam-pahaizana ny Malagasy , hoy ny filazan’ny mpandinika ,fa mahantra olo-marina » .Mahatonga ozona  ny fahotana, ny fahalovana  izay miafara amin’ny fahaverezana . Aza mijanona intsony amin’ny aizina misy anao . Ny mampahazava antsika dia ny firaisantsika amin’ i Jesoa Kristy . Mila mibebaka isika . Rehefa tratra io tanjona io vao tonga Zanak’ Andriamanitra isika . Izay naterak’ Andriamanitra no tsy manota (1 Jao 5.18) . Jesoa Kristy tonga hanome fiainana , fanafahana tanteraka amin’ny fahotana .

Raha tena fahazavana ianao , aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompo .Raha nohafahana tamin’ny fahotana ianao , vontosy Filazantsara i Madagasikara . Aza miahanahana sao hahatratra anao ny aizina   . Mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Vontosy Filazantsara i Madagasikara !

Nanao ny vavaka setrin’ny Toriteny : RAKOTONINDRAINY Jaona , Mpitandrina ,Tonia Dep. Fiangonana

Nitarika  ny Asa vavolombelona : RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Filoha mpanampy BMF.

Nanazava ny trakta « vontosy Filazantsara i Madagasikara »: IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina , Filohan’ny FJKM.

Lohahevitry ny volana Janoary : « Vavolombelona mahatoky ny Tompo »

Tenin’ny Filohan’ny FJKM

Teny fisaorana ny rehetra na ireo nanomana sy ireo nahatanteraka ny fotoana ary ireo tonga manatrika izao fotoan-dehibe izao .

Antso telo no nataony :

1-Antso noho ny faha- 50 taonan’ny FJKM sy 200t nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara :

Trano lehibe no hatsangana ho tsangambato , ho fanampin’ny Toerampanomanana Mpitandrina mba hanampy isa ireo Mpitandrina efa amperinasa amin’izao fotoana izao. 6700 no isan’ ny fiangonana FJKM ary 1250 no isan’ny Mpitandrina FJKM. Ny tanjontsika ny hanamaroana ny isan’ny Mpitandrina ary entanina mba samy hanao izay manandrify azy ny tsirairay .ny Asa hatao dia hatsangana eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.

2-Antso ho an’ny Vavaka ho an’ny firenena sy Fambolenkazo

Maina ny tany , tsy misy ny orana milatsaka . Tokony efa hiava nefa dia tsy mbola manetsa akory . Azo sitranina tsara ny firenentsika araka ny voalaza ny 2 Tantara 7.14. Nisy ny antso nataony ho an’ny Mpitandrina mba hidinika ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana ny Alarobia 18 Janoary 2017 ,amin’ny 10 ora maraina , mikasika izany Fanompoampivavahana kasaina hatao izany  .Nanentana  ho an’ny Fambolenkazo ny Filohan’ny FJKM fa  endriky ny fitiavan-tanindrazana izany .

3-Antso ho amin’ny Fampandrosoana ny RADIO FAHAZAVANA

Manantitra ny fisaorana an’izay nanohana sy nanolotra fitaovana ho an’ny Radion’ny fiangonana FJKM , dia ny Radio Fahazavana . Fisaorana ho an’ny manampahefana , fisaorana ho an’ny mpiasan’ny Radio Fahazana . Vina lehibentsika ny hoe : VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA. Koa manomboka izao dia hira kristiana no handeha hohenontsika ao amin’ny Radio Fahazavana .Manentana anareo Antoko mpihira mba handefa ny hiranareo ao . Manao Antso koa ho an’ireo izay vonona hifanampy amin’ny fampandrosoana io sehatrasa io , amin’ny alalan’ ny Radio Fahazavana  io mba ho tonga ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavan ny Alarobia 18 Janoary , amin’ny 4ora tolakandro .

FANAZAVANA NY TRAKTA

« Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara »

Horakofantsika fiangonana FJKM ny communes 407 eto Madagasikara izay tsy mbola ahitana izany eto Madagasikara .Ireto no dingana arahinao ato anatin’ity Trakta ity :

1-Ento tsy hahasaraka anao ity trakta ity

2-Ento ambavaka ny asa ataonao dia ny famakiana na ny fizarana izany , mba hitarihan’ny Fanahy masina anao mankamin’izay olona tokony hitorianao izany .

3-Resaho tsotra amin’olona ilay izy , tsy asiana pôzipôzy , na fanovana feo .

4-Ny takila resahana ihany no atao eo anatrehana :

-Efa nahita ity ve ianao ?

-Tianao ve ny hiresahako anao ity trakta ity ?

5-Raha mahay mamaky teny izy dia ampandraisao anjara.

6-Ezaho atao feno ny fampiasana azy :Tianao ve ny hanao izany vavaka izany ? Aza dinganina ilay izy .

7-Taomy fa aza terena handray an’i Jesoa ilay olona . Manaja ny safidiny ny Tompo .

Ampio mba hitombo ara-panahy ny olona . Taomy izy hankany am-piangonana kristiana araka izay tiany , tsy voatery ho FJKM .Taomina ho an’i Kristy ny olona fa tsy ho FJKM .

Miara-miasa amin’ny fikambanana « Gideona » isika amin’ny fizarana Baiboly , amin’ny « Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly ».Raha tsy misy Baiboly ,tsy misy fiainana vonton’ny Filazantsara .

FANAMARIHANA :

-Rehefa mankany am-piangonana isika dia Boky Baiboly sy BokyFihirana  entina any ,fa tsy  Telephone na tablette na dia misy Baiboly sy Fihirana aza ireny mba hahafahana mifantoka tsara amin’ny Fanompoampivavahana .

-Rehefa voavaky ilay Trakta dia omeo olona hafa .Araho vavaka ny asa atao.Dia mandehana !Ny volana Febroary no hanaovan’ny isam-piangonana Tafika masina ary hatao isam-bolana isam-bolana .

Teo am-pamaranana ny teniny dia nangataka  ny Filohampirenena ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery  ny Filohan’ny FJKM  handroso eny aloha mba handray ny Fiarahabana ataon’ny Fiangonana ary tamin’izany no nanolorana azy Baiboly miisa roa ho azy mivady

Tenin’ny Filohampirenena

Tsy mbola tafavory toy izao ny FJKM , hoy ny fanamarihany voalohany raha nandray ny fitenenana .Zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompontsika . Tsy menatra ny amin’izany ny Filohampirenena  fa efa nijoro amin’izany mandrakariva .

« tsy menatra , satria fantatro izay inoako , ary matoky aho …»

« fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononantena ».

Zava-dehibe ny maha- mpampianatra ny Filohan’ny FJKM, hoy izy amin’ny fampitana hafatra .Betsaka ny fanenjehana , fa aza kivy . Hanampy anareo aho , hoy izy hahatanteraka ny famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara .Tehaka mafana  dia mafana no nanatrehan’ny vahoakan’ Andriamanitra izany fandraisam-pitenenana rehetra izany .

Ny fotoana dia mbola nitohy ny hariva tamin’ny alalan’ny fanarahana ny seho an-tsehatra nataon’ireo Antoko Mpihira maro samihafa . Fatratra ny ravaka nanomezana endrika ny lampihazo natao isan’ ambaratonga  ho an’ireo sokajin’olona nasaina . Niraondraona ny hiran’ny Antokompihira efa za-draharaha ,manaraka ny solfa tsara ny fanandratany  ny hira ao amin’ny fihirana  . Soratra lehibe no mitselatselatra , miovaova  manaitra ny maso, ahitana ny zava-dehibe tsara ho fantatra momba ny FJKM sy ny sampana ao aminy . Ny avy ao amin’ny SAMPATI moa dia mifandray tànana eo am-pidiran’ireo manampahefana sy ny mpandray anjara mandeha tsiroaroa am-pivadiana avy , ka nirindra tsara tokoa ny fidirana

Na dia vahoaka anilikisa toy izany aza no hita tao amin’ity toerana filalonana zary lasa trano fiangonana ity dia tena nilamina , nirindra , nampifantoka tanteraka ny fo amam-panahy tamin’Ilay Andriamanitra Tompon’ny lanitra sy ny tany  sy Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana rahateo .Dera anie ho an’ Andriamanitra avo indrindra  .

Rakotra olona , feno hika ,hatrany ivelan’ny Coliseum ny vahoakan’ Andriamanitra avy amin’ny lafy valon’ny Nosy sy ivelan’i Madagasikara tonga niombom-bavaka sy niara- nanome voninahitra an’ Andriamanitra tamin’ity fotoana manan-tantara loatra teo amin’ ny fiainan’ny fiangonana izao ity .Niseho ny Voninahitr’ Andriamanitra . Nahazo hery sy finoana ny mpivavaka . Velom-panantenana ny mpitondra ny firenena . Dia mbola manentana antsika mpino kristiana hanohy ny vavaka ho an’ny firenena , indrindra mba hilatsahan’ny orambe mivatravatra hamonto ny tanintsika .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Nangonin-dRamatoa Sahondra

Site web/ AFIFAB

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV