Alatsinainy 16 Janoary 2017
VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Mpitsara 11.4-10
1-Mahatoky amin’ny fitiavany sy ny fifidianany Izy
Miharihary eto hatrany ny fomba fifidianan’ny Tompo . I Jefta izay zanaky ny vehivavy janga no nofidiny teo amin’ny mpianakavin’ny rainy . Olona noroahina sy nailikilika (Mpi 11.2). I Davida Mpanjaka koa dia ny kely indrindra , ny faralahy nefa izy no voafidin’ny Tompo . Ny iva razana sy ny fanevateva no nofidiny , dia ny natao ho tsy misy aza (1 Kor 1.28). Izany no fomban’ny Tompo ary naharihariny fa ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga fehizoro. Tsy misy fizahan-tavan’olona ao Aminy . Mahazo matoky Azy isika na dia hamavoina aza fa mahatoky amin’ny fitiavany sy ny fifidianany Izy .
2-Mahatoky amin’ny maha- vavolombelona Azy Izy
Miantso ny Tompo ho vavolombelona izay te-hanaporofo fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany izay nambarany ka nekeny na nifanekeny . Te-hilaza marina ny havan’i Jefta sy ny rahalahiny fa tsy handroaka azy intsony , ary hanao azy ho mpitarika aza.Tsy hivadika amin’ny teniny izy ireo fa hanao izany marina tokoa. Izany no fomban’ny mpino fa mba manao ahoana isika manao fanekena hoe : « Eto anatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonana… ».Fandraisana Azy ho vavolombelona izany . Moa matahotra Azy tokoa ve isika ka mankato sy manatanteraka izay nekentsika ? Vavolombelona mahatoky , tsy azo andaingana , na sanatria hofitahina ny Tompo . Matahora fa mbola hijinja izay nafafintsika isika amin’ireny .
Fanontaniana :
Inona tokoa no efa nekenao teo anatrehan’ny Tompo ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM