Alahady 15 Janoary 2017
VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
1 Jaona 1.5-10
Mandehana araka izay nampianarin’ny Tompo
Ity taratasy nosoratana ho an’ny Fiangonana ity dia mampiharihary ny toetra sy fampianaran-diso nataon’ireo mpitory sandoka. Nomen’i Jaona Apostoly famantarana ny Fiangonana araka ny voalaza eto, ka sady ambarany ny ataon’ireo mpitory tsy marina no toroany làlana ny mpino .
1-Manaova ny marina
Ny and 6 dia sady mitaona ny mpino hanao ny marina no manakiana ireo mpampianatra sandoka izay milaza ny tenany ho mitoetra amin’ny mazava, sady miombom-piainana amin’ny Tompo , nefa mifanaraka amin’izany ny fiainany fa feno aizina . Ny « maizina » dia enti-milaza ny faharatsiana rehetra , ny fahotana izay raran’ny Soratra masina ka tsy tokony ho hita soritra eo amin’ny fiainan’ny mino , nandray ny Filazantsara . Mpino isika ka ampifanaraho amin’ny Tenin’ Andriamanitra loharanon’ny fahazavana ny fiainantsika . Amin’izay dia sady ho olo-marina isika no manam-piraisana amin’ny Tompo .
2-Aza manamari-tena
Ny and 8-10 dia mitaona antsika hiaiky sy hanaiky fa tsy misy marina isika na dia iray akory aza. Andriamanitra irery ihany no marina sady tsy manana ota . Isika rehetra dia samy efa nania avokoa. Koa aza mihevi-tena ho marina , fa tsy fomba ahazoantsika famonjena izany , satria na dia i Jesoa aza dia tsy tonga hiantso ny marina . Vavolombelona mahatoky amin’ny famelankeloka ny Tompo rehefa miaiky ny fahotantsika isika .
Fanontaniana:
Nahoana tokoa no tsy ny olo-marina no antsoin’i Jesoa ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM