Hafatry ny Filoha / Janoary 2017

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA

MISIKINA, ANDAO HANDEHA, RY FIANGONANA Ö!

Araka ny efa nambara hatrany am-piandohana, tamin’ny Alahady 25 Septambra 2016 teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina Antananarivo, dia HANAO TAFIKA MASINA ISAM-BOLANA ISAMBOLANA NY FIANGONANA FJKM REHETRA.
Tsy hoe “isam-pitandremana” fa “isam-piangonana” mihitsy no entanina hanao izany. Izany hoe ny vondrona fototra ijoroan’ny FJKM rehetra mihitsy no miara-mientana mba samy hanana aina.
Ny antony I Jesoa, raha hiakatra ho any an-danitra dia nanao fanambarana miezinezina ny amin’ny maha Izy Azy hoe “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany” (Mat. 28.18). Tena toky makadiry ho antsika Fiangonana ny mahalala izany: Ilay Tompontsika dia Tompo Tsitoha, tsy resin’iza na iza!
Ary Izy no naniraka antsika hoe: “Mandeha ianareo, ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Mat.28.19). Koa baikon’Ilay Manam-pahefana faratampony amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao no nomena antsika.

Ka iza moa isika no ho sahy handa izany baiko izany, na hanamaivana, na hanadino, na hampandefitra izany baiko izany? Fa ny fanamaivanana, na fanadinoana dia naman’ny fikomiana amin’Ilay Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny Mpanjaka.
Fa izao indrindra koa anefa tsy nijanona teo ny teniny, fa nofaranany tamin’ny hoe: “Ary indro, Izaho nomba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Mat. 28.20). Tsy hoe naniraka antsika fotsiny Izy fa nanome antoka sy toky goavana fa hiara-dalana amintsika amin’ny fanantanterahana izay anirahany rahateo. Koa tsy handeha irery na oviana na oviana isika Fiangonany eo am-panefana izao iraka miezinezina izao.
Koa feno ny fepetra rehetra hahafahantsika Fiangonana mandeha
1-Nampahafantarina antsika ny Fahefana mibaiko antsika Ilay Tsitoha
2-Nomena antsika ny baiko hotanterahina hanao mpianatra ny firenena rehetra, manomboka eto amin’ny firenentsika, Madagasikara.
3-Nomena antsika ny fiantohana hanatanterahana izany baiko izany: ny fomban’I Kristy.
Koa andao àry! Mitsangana! Tanteraho ny antom-pisianao ry Fiangonana ô!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV