Alakamisy 12 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Ezekiela 37.26-28

Manome porofo ny Tompo fa mahatoky Izy

1-Fanekena hiara-monina amintsika mandrakizay

« Hanao  fanekem-pihavanana ho azy aho ,ka ho  fanekena mandrakizay izany », hoy  ny Tompo(and26). Ny fanekem-pihavanana dia fanekem-piaraha-monina, na dina ataon’ny Tompo amintsika fa  hiara-monina amintsika Izy , sady hampiara-monina amintsika Izy sady hampiara-monina antsika amin’ny fandriampahalemana sy ny fifaliana . Tsy amin’ny ampaham-potoana  fa ho mandrakizay . Noporofoiny izany tamin’ny nanomezany an’i Imanoela izay Jesoa tonga Andriamanitra eo anivontsika ary nohamafisiny tamin’ny teniny hoe: »Indro Aho momba anareo mandrakariva… »(Mat 28.20). Ny hoe: « momba » dia miaraka sy miandany ka tsy mamela ho irery . Fanekena mandrakizay izany .

2-Fanekena ho vavolombelona amin’ny Jentilisa

« Koa dia ho fantatry ny Jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina  ny Israely amin’ny isian’ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay » (and28). Ny fitoerana masina dia ny tabernakely , izay enti-milaza ny Tempoly aloha , ary taty aoriana , araka ny hevitra kristiana , dia enti-milaza an’i Jesoa Kristy miara-monina amintsika . Ny Fiangonana ny vatan’i Kristy . Koa raha miorina eto amintsika ny Fiangonana dia izany no vavolombelona milaza fa hafa sy miavaka ary  masina ny Fiangonana amin’ny maha-vahoaka voafidy azy. Miavaka amin’ny Jentilisa isika , satria zary famantarana ny Fiangonana mijoro fa miaraka amintsika mandrakariva Ilay Andriamanintsika .

Fanontaniana:

Inona ilay Tabernakely ambara ao amin’ny Apo 21.3?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV