SAF / Lafiny ara-pahasalamana

Aretina mila fitsaboana manokana 

 

Mila fijerena manokana ny fitsaboana ny aretina Diabeta, fiakaran’ny tosi-drà, ary ny aretin’ny voa izay miha mahazo vahana eto amintsika..

Ao anatin’ny drafitra momba ny politikam-pitantanana ny tobim-pahasalamana SAF/FJKM ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsabo. Nisy araka izany  fiofanana notanterahana teto Antananarivo ny 09 hatramin’ny faha 11 Novambra 2016 lasa teo, izay nandraisan’ireo mpitsabo miisa 30 miandraikitra tobim-pahasalamana SAF/FJKM manerana ny Nosy.

Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitsabo hifanaraka amin’ny fenitra takian’ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny aretina ankehitriny ary koa mba  ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana atolotra ny vahoaka.

Lohahevitra 3 no nohalalinina nandritra izao fiofanana izao, dia ny : mahakasika ny aretina Diabeta, ny aretina fiakaran’ny Tosi-dra, ary ny aretina avy amin’ny tsy fiasan’ny voa ara dalàna na « insuffisance rénale ». Nofidiana manokana ireo karazan’aretina ireo noho ny fahatsapana fa tato ho ato dia miha mahazo vahana izy ireo ary efa manomboka mahazo ny tanora  sy  miteraka fahafatesan’olona maro raha tsy voatsabo tsara. Eo ihany koa ny fahasarotana eo @ fitsaboana azy ireo izay mila fanamafisana fahaizamanaon’ny Mpitsabo. Marihina, fa tsy mba mahazo famatsiam-bola manokana toy ny ady @ tazo moka, ny Tiberkilaozy na ny VIH/SIDA ny ady atao amin’izy ireo, fa dia izay  tsara sitrapo no manampy amin’ny fanofanana toy izao hoy ny nambaran’i Dr Randrianonivelo Josoa,  Mpandrindra ny fandaharan’asa Fahasalamana SAF/FJKM. Raha ny eto Madagasikara dia olona 197 amin’ny 451 izay notiliana no voan’ny aretina fiakaran’ny tosidrà. Ny 31,4% ny olona voan’ny aretin’ny voa kosa dia avy amin’ny fiakaran’ny tosidrà ary ny 16,3% dia avy amin’ny aretina aretina Diabeta (source SOMACAR : Societé Malgache de Cardiologie). Noho izany dia mifampiankina ireo aretina ireo ka mila fitiliana mialoha mba tsy hampiteraka fahavoazana lehibe eo amin’ilay marary.

Tsy ny fandraisana an-tanana ny aretina ihany no nohalalinina nandritra izao fiofanana izao fa teo indrindra koa ny fanentanana sy fampianarana ny olona amin’ny fiarovana sy fisorohana ireo aretina ireo (prévention).

« Marina fa aretina efa fahita eny amin’ny asa fitsaboana andavanandro ireo aretina 3 ireo, fa nisongadina nandritra ny fiofanana kosa ny fisian’ny fandravonana nomen’ireo mpampiofana :  toromarika amin’ny fitsaboana sy ny maha zava dehibe ny fitaizam-batana, satria ny fahazarana (routine) amin’ny fitsaboana dia manimba zavatra betsaka. Teo ihany koa ny fiheverana ny ho avin’ireo marary mba hananany fiainana ara-pahasalamana milamina sy mirindra », raha ny nambaran’i Dr Ravelomanantsoa Jean Etienne, Dispensaire SAF/FJKM Ambositra.

Nifanome tanana teo amin’ny fanatanterahana ny fiofanana ireo Dokotera manam-pahaizana manokana Malagasy momba ireo aretina ireo.

Nanohana teo amin’ny lafiny ara-bola tamin’ny fanatanterahana izao fiofanana izao kosa  ny vondrom-piangonana PCUSA.

Antoky ny fahasalamana ny fitaizana ara batana  sy  ny fandanjalanjana ny sakafo mba ho fisorohana ny fahasarotana mety hitranga noho ireo aretina ireo indrindra ny aretina fiakaran’ny tosidrà  sy ny Diabeta. Raha misy mampiahiahy dia ny manatona tobim-pahasalamana no tsara indrindra. Fadio ny manao dokotera tena fa mampidi-doza.

Saf-Ifandraisana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV