Fahaiza-mitantana / Fanajana ora.

 

NATERAKY NY REFORMA NY FANAJANA ORA.

Ho antsika ankehitriny izay efa miaina amin’ny ora sy minitra, dia tsy ho zava-baovao intsony ny fanajana ora. Fa tena niavaka tanteraka kosa izany tany amin’ny taonjato faha 16, fotoana nahaterahan’ny Reforma.

VONDRON’OLONA.

Tsy hoe tsy nahafantatra ora akory, na tsy nanaja izany ny olona taloha sy niara-belona tamin-dry Jean Calvin. Ny vondrona mpivavaka nitoka-monina dia fatra-panaja ora tokoa, ary nandeha nanaraka ny ora ny asa sy ny fiainany. Ho azy ireo irery ihany anefa izany fanajana ora izany, fa tsy nisokatra ho an’ny fiarahamonina na ny Fiangonana manontolo.

TEOLOJIAN’NY ORA.

Calvin kosa dia nampiditra ny teolojian’ny ora teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny tanàna tao Génève. Nampianatra izy fa, ny  fahaiza-mitantana ny ora dia tena asan’ny finoana. Satria ny andro sy ora ahavelomantsika dia fanomezan’Andriamanitra. Tsy azo lanilaniam-poana izany. Ampamokarina izany fotoana sy ora izany, ary vokatra hahasoa ny mpiara-belona. Koa  tsy azo ekena velively ny fidonanam-poana sy ny fahakamoana. Tsy nisy na dia iray tamin’ny Toriteny nataon’i Calvin, ka tsy nitenenany ny fifandraisan’ny fotoana ananan’ny Kristiana sy Andriamanitra. Fanamarihana nataon’i Max Engammare, izay nandinika manokana izany.

FIANGONANA.

Hatreo amin’i Calvin ary, dia ny Fiangonana mihitsy no notarihiny tamin’ny alalan’ny Fitsipiky ny Fiangonana, hahay manaja ny fotoana. Ny taona 1541, dia navoakany ny Didy manasazy vola 3 sous, ho an’ireto olona ireto: ireo izay tsy tonga nivavaka, ireo izay diso fidirana, ary ireo izay nivoaka mialohan’ny firavan’ny Fiangonana. Nihamafy hatrany izany sazy izany ny taona 1561, ary ny toerana malaza tao an-tanàna dia nametrahana famantaranora avokoa, ho fampatsiahivana ny ora sy ny mety ho asa miandry mifanandrify amin’izany. Ny tany an-tsekoly dia voasazy ihany koa rehefa diso fidirana, na dia ho an’ireo Sekoly tsy mba nanana lakolosy aza.

ORAN’NY FANJAKANA.

Nandray ity fotokevitry ny Fiangonana izay napetrak’i Calvin ity ny Fanjakana, rehefa maty i Calvin. Tamin’ny endrika maneso no nisehoan’izany. Ohatra, nipoitra ny fitarainana fa lava loatra ny Toriteny tany am-piangonana. Tsy mba nisaraka toy ny ankehitriny akory ny Fiangonana sy ny Fanjakana tamin’izany. Fa dia azo nanaovan’ny mponina fitarainana ny momba ny Fiangonana.

Taorian’izany indray, dia namoaka Didy ny Fanjakana fa tsy ho ora iray intsony ny halavan’ny Toriteny, fa ¾ ora. Norefesina tamin’ireny fitaovana misy fasika ireny ny halavany, ka rehefa tafidina tanteraka ny fasika teo ambony, dia najanona ny Toriteny, hoy ny Fanjakana.

Ny andro fivavahana ihany koa dia novain’ny Fanjakana, mba tsy hifaninana amin’ny andron’ny tsena. Fandaminana ny andro sy ora nivavahana sy ho an’ny zavatra hafa noho izany: izay no hita nataon’ny Fanjakana, izay notovoziny avy tamin’ny fampianaran’i Calvin. Izany rehetra izany dia nihanaka haingana tany amin’ny firenena hafa toa an’i Frantsa, ary nanjary nanentana ny fiainan’ny fiarahamonina manontolo ny fanajana ora.

ANKEHITRINY

Manao ahoana àry ny fanajantsika Kristiana ny ora, izay fanomezan’Andriamanitra mba hanompoantsika Azy, indrindra ny mankany am-piangonana?

Max Engammare, «L’Ordre du temps. L’invention de la ponctualité au XVIe siècle», Droz, 2004

A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV