KRISMASY voalohany tao am-ponja

 

          « Mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. »   (Efesiana 4:3)

 

TATITRA MIKASIKA NY KRISMASY VOALOHANY TENY AMIN’NY FONJA ANTANIMORA TAO ANATIN’NY FOLO TAONA NIASANA

 

Zavatra natao : Fankalazana krismasy sy nanaovana Sakramenta Batisa ary ny Sakramentan’ny Fanasan’ny tompo tao anatin’ny fiaraha-miombom-bavaka

Toerana nivoriana : Quartier des “mineurs” ao amin’ny fonja Antanimora

Fotoana : 18 desambra 2016 nanomboka t@ 9 ora

Lohahevitra Synoda lehibe  : “koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” IITim 01:8)

Lohahevitra volana Desambra : “Ankalazana ny tompo ny asan’ny mino”

 

TENIN’ANDRIAMANITRA NANDRAISANA SAKAFOM-PANAHY :

 

“ Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe : Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,  Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy  (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola),  Dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika, sy amin’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika;  Manefa famindram-po amin’ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,  Dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika,  Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ny fahavalontsika isika,  Amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.  Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.  Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelana ny helony,  Noho ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika. Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.  Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Isiraely. “ (Lioka 1:67-80)

IREO TOMPONANDRAIKITRA NIASA NANDRITRY NY FOTOAM-BAVAKA :

  • Nitarika : Rtoa Ramanamirija Arisoa, K
  • Namaky teny :Rtoa Rakotosahondra, mpandrindra ny asa ao amin’ny Fonja, Atoa Rakotondrasoa Mamy, solotenan’ny SLK Foibe
  • Nitondra ny hafatr’Andriamanitra : Rtoa Ramanandalana Gisele, KD
  • Nanao ny Batisa sy ny mpandray vaovao ary nyampandray :Rtoa Ramarosoa Hary Imbololona, mpitandrina sy Rtoa Ramanandalana Gisèle,KD
  • Nitondra ny hafatra avy any amin’ny Talen’ny Fonja analamanga :Atoa Befila Coco Yvon, Pastora

Nihira ireo ankizy gadra ho fiderana an’andriamanitra sy ho famaranana ny fotoam-pivavahana izay nankalazana ny Krismasy

Isan’ireo ankizy gadra nanolotena natao batisa : 4

  • Isan’ireo ankizy gadra nanolotena ka noraisina mpandray vaovao taorian’ny fianarany nandritry ny heritaona : 2
  • Ny natao ho marim-pifaliana amin’ny fankalazana ny andro Krismasy, ahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo niaraka tamin’ireo ankizy gadra ao amin’ny fonja Antanimora tamin’io andro alahady io :fizarana vatomamy sy Tenin’Andriamanitra ho an’ny ankizy voafonja

 

IREO HAFATRA REHETRA NOMENA IREO ANKIZY GADRA ENY ANTANIMORA :

  • Tsara Andriamanitra koa rariny raha manao ny tsara hatrany isika mpino kristiana na ankizy na olon-dehibe
  • Hendre tsara ary raiso ny fahendren’Andriamanitra ho fiainana
  • Aza miova amin’ny fanompoana masina izay efa atao
  • Tadidio mandrakizay fa tsy ho foana tsy akory ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra
  • Ny tena fahafahana dia ny fandraisana an’I Jesoa Kristy Tompo ao anaty
  • I Jesoa Kristy no Mpamonjy tsara indrindra satria manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany sady tompon’ny fiadanana, koa raiso ao am-po Izy ho famonjena.

nangonin’i Mamy

AFIFAB/SP11

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV