SP Afovoany Atsinanana Vaovao /FJKM VAVATENINA.

 

FANITARANA NY TRANON’ANDRIAMANITRA .

 

Vokatry ny fitoriana ny Filazantsara ataon’ny Fiangonana dia mitombo isa ireo mpivavaka. Maro ireo Fiangonana tsy antonona intsony ka manao fidirana maromaro amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady maraina. Ao ihany koa ireo manao fanitarana. Iray amin’ireny ny FJKM Vavatenina ao amin’ny Synodam-paritany Afovoany Atsinanana Vaovao.

 

Nohon’ny fahamaroan’ireo olona mangetaheta ny filazantsara, dia tsy antonona intsony ny trano fiangonana ao amin’ny FJKM Vavatenina.

Niroso tamin’ny fanitarana izy ireo nanomboka tamin’ny taona  2004. Raha ny marina dia fanorenana vaovao mihitsy no natao mba hitsinjovana ny filàn’ny Fiangonana sy ny sampana ao aminy. Misy araka izany ny efitrano malalaka hahafahana mandray fivoriana, na fiofanana, ary efa mitsinjo sahady  koa izy ireo ny toerana hanaovana ny tobim-pahasalamana.

Raha trano mahazaka olona 500 no nisy teo aloha, ao anatin’izao fanitarana izao kosa dia olona miisa 3000 no kendrena ho tafiditra ao an-tranon’Andriamanitra mandritry ny fanompoam-pivavahana isaky ny Alahady maraina,   izay kasaina ho miditra indroa miantaona.

Mandroso ny asa na dia efa ho 12 taona aza  izao no nanombohany :« Ny  fanaovana ny Tranon’Andriamanitra dia tsy atao maimaika fa mila fotoana ilomanosana amin’ny vavaka. Ary tianay hijoroana vavolombelona  fa tsy tokony  hiantehitra amin’ny  famatsiam-bola ny fanaovana  Fiangonan’i Jesoa Kristy mba tsy hanjary fiangonan’ny mpamatsy vola. Rehefa ao amin’ny Tompo ny maso, ary an’ny Tompo ny asa dia misy foana ny fomba ahafahana mamita ny sitrapon’Andriamanitra », hoy ny Mpitandrina Florent, FJKM Vavatenina.

Manao ezaka araka izany ireo Kristiana mampiasa ny talentany araka izay noraisiny avy amin’Andriamanitra ho an’ny asa fanaovan-trano: ao ny manolotra vola, ao ny manolotra fitaovana, ao koa ny mampiasa ny herim-batany. Fanahin’ny fahafoizana sy ny fitiavana no mibaiko ny  tsirairay.

« Ataovy  ny trano dia ankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho hoy Jehovah » Hagay 1 :8b

Liva Harintsoa

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV