Fandalinam-pinoana/ Ny « Homosexualité ».

AVY AIZA NY HOMOSEXUALITE ?

Ny Synoda Lehibe FJKM tany Manakara (2012) dia nanapa-kevitra fa, zavatra tsy eken’ny Fiangonana FJKM ny Homosexualité. Tsy mbola tonga amin’ny fampiharana izany aloha ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Ohatra hoe, esorina tsy ho Mpitandrina na tsy ho Diakona na tsy ho Tompon’andraikitra ao am-piangonana izay hita na nilaza tena fa Homosexuel. Na tsy azo atokana ho Mpitandrina izay nilaza tena ho homosexuel.
Ny efa hita ao amin’ny Fotodalanan’ny FJKM dia tsy hanamasina ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy ny FJKM, satria tsy eken’ny FJKM ho fanambadiana mihitsy izany, toy ny fampirafesana ihany (and-73). Lehilahy iray (1) sy vehivavy iray (1) no lazain’ny fotokevitra momba ny ankohonana kristiana.
ANTONY SAMIHAFA
Misy antony samihafa mitondra ny olona iray ho lasa homosexuel, araka ny voka-pandinihina ara-tsiansa. Eo ny milaza fa ANTONY GENETIKA izany. Misy chromosome sexuel (Xq28) tondroin’ny manam-pahaizana ho fototr’io fikisahana hanjary homosexuel io.
Misy mametraka ny ANTONY BIOLOJIKA. Mikorontana ny hormona ao amin’ny olona sasany, ka miteraka fihetsika seksoaly hafa noho izay tokony hataony. Fihetsika fahita amin’ny homosexuel izany, araka ny mpandinika azy ity.
Fa misy koa mahita ny ANTONY PSIKOLOJIKA. Misy karazana olona izay toy ny tany lonaka hivelaran’ny homosexualité. Efa toetsainy mihitsy ny fironana ho homosexuel, araka ny fandinihana ity.
Amin’ireo rehetra lazaina ho antony ireo, dia samy tombantombana sy petrakevitra avokoa ireo, fa tsy mbola voka-pikarohana maharesy lahatra ny rehetra. Mijanona ho dingana iaingana ihany, fa tsy mbola azo itompoan-teny ho marina akory hatreto.
ANTONY ARA-PIANAKAVIANA
Ity antony ara-pianakaviana ity no andeha ifotorana kokoa ny fandinihana azy. Ny fifampisintonan’ny olona dia fahita hatrany hatrany. Ny homosexuel dia mifampisintona ny samy lahy na samy vavy. Ny heterosexuel dia mifampisintona ny lahy sy ny vavy.
Izay fifampisintonana izay anefa dia tsy antony sexualité loatra eo am-boalohany. Tsy ny ara-pananahana no antony voalohany mampifanatona ny olona. Mila fitiavana (affectivité) ny olona dia mitady izay hahitany izany. Mila fihetsehampo (sentimentalité) izy dia mankany amin’izay hahazoany izany. Mikatsaka fiarovana (sécurité) koa izy, dia lasa manatona izay afaka manome izany. Ireo no tena antony voalohany hanatonana olona hafa, fa laharana manaraka ny ara-pananahana (séxualité).
MODELY ROA
Misy modely roa (lahy sy vavy) handrafitra ny ho toeran’ny ankizy iray. Ny MODELY LAHY dia tazana ao amin’ny ray, mpanabe lehilahy, mpitondra fivavahana lehilahy, lehilahy to teny. Ireo no manefy ny toetrany hahay mankasitraka sy hanaja ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ireo koa no manefy azy hahatakatra ny fifamenoan’ny lahy sy vavy, araka izay naharian’Andriamanitra azy. Ny MODELY VAVY indray dia tazana ao amin’ny reny, ny mpanabe vehivavy, mpitondra fivavahana vehivavy, vehivavy to teny. Izy ireo no hahazoan’ny ankizy filaminana, fitiavana.
TOKANTRANO SIMBA
Ny fahasimban’ny tokantrano, noho ny fisarahan’ny ray aman-dreny, dia anisan’ny fototra iray lehibe mety manosika ny ankizy ho lasa homosexuel. Raha ny voka-pikarohana iray hita, dia nilaza fa, 69% amin’ny olona homosexuel no nanana reny tia tafahoatra ilay zanany lasa homosexuel.
Ny fahabangan’ny ray amin’ny endriny samihafa dia mety manosika ny ankizy ho homosexuel koa. Tsy hitany lava ny rainy, tsy akaikin’ny fari-pahaizany ny rainy ka tsy azony hatonina, tsy manana fitiavana azy ny rainy na dia eo ihany aza, tsy misy fihetsehampo akory amin’izay nataony ny rainy. Izany tsy fahatomombanan’ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka izany, dia hita tamin’ny 82% amin’ny olona homosexuel.
FITARATRA
Toy ny olona mijery fitaratra ka mitady ny tarehy amam-bikany ny olona homosexuel, amin’izany tranga izany. Io rainy “tsy hitany” io, na ilay reny “tia tafahoatra” io: ireo no sary hitany eo amin’ny fitaratry ny fiainany. Koa ny tokantrano milamina sy miombona tsara no vahaolana lehibe tsy hahatongavan’ny zanaka ho homosexuel, araka izany.
Ary samy manatanteraka ilay “modely roa” etsy ambony ny mpivady ao amin’ny tokantranony. Dia tsy hipoitra mihitsy ny fakana tahaka tanteraka ny reny, sy ny fanapotehana an-doha ny ray: ireo no kasinga iorenan’ny homosexualité.
A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV