Hafatry ny filoha / Des 2016 (II)

NAHOANA ISIKA NO IRAHINA HOE:

“VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!”?

       Maro ny valiny azo omena. Ary na isika aza dia samy afaka hahita izany. Fa ny iray lehibe tsy maintsy lazaina dia izao: SATRIA ISIKA DIA “FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA”. Araka izany:

  • FIANGONAN’I JESOA KRISTY ISIKA

Mino isika fa i JESOA KRISTY no hany Mpamonjy, na ho an’ny olona tsirairay na ho an’ny fiaraha-monina sy izao tontolo izao.

Mino isika fa i JESOA KRISTY no hany vahaolana ho an’ny fahantrana mandifotra ny firenentsika; fahantrana amin’ny endriny rehetra!

Ary satria isika no Fiangonan’io JESOA KRISTY  io dia takina amintsika ny hanambara an’io JESOA KRISTY io amin’ny mpiara-belona amintsika. Takina amintsika ny hitaona ny mpiray tanindrazana amintsika hanaiky an’i JESOA KRISTY ho Tompo sy Mpamonjy.

Ny fiangonana hafa, izay manana anarana hafa, dia tsy mitovy amintsika. Fa isika dia voafatotry ny anarana entintsika, SATRIA ISIKA DIA “FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA” ka raha mbola misy olona, na iray aza, eto Madagasikara, tsy nandre na voataona handray an’i  JESOA KRISTY, dia mbola raikitra adidy isika FJKM! Hadinin’Andriamanitra amintsika ny rany!

  • FIANGONANA ETO MADAGASIKARA ISIKA

       Dikany: i Madagasikara manontolo no vontosantsika ny Filazantsaran’i JESOA KRISTY! Ary raha ambara ny hoe” i Madagasikara manontolo” dia tsy ny Malagasy ihany izany. Ny Malagasy tokoa no maro ana isa; nefa misy vahiny maro koa eto. Ao ireo vahiny efa zary tompon-tany satria nonina ela teto, nanambady Malagasy ka niorim-ponenana. Mbola vahiny ihany anefa ireny. Ao ireo tena vahiny mihitsy ary mora fantatra amin’ny fiteniny. Ireny rehetra ireny no samy anirahan’i JESOA KRISTY antsika, raha hoy Izy hoe: “Mandehana ianareo, ataovy mpianatra ny firenena rehetra!”(Mat 28:19). Misy ireo mpiavy, entin’ny fiaramanidina tonga eto Madagasikara. Nentin’Andriamanitra eto mba handre ny Filazantsaran’i JESOA KRISTY eto Madagasikara izy ireny! Ny misionera dia nandeha lavitra hitory ny Filazantsaran’i JESOA KRISTY;  ny antsika kosa, ny olona hitoriana indray izao no mihazakazaka manatona antsika! Efa nanamora ny asantsika, amin’ny ampahany Andriamanitra! Andao isika

“VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

VAOVAO FARANY

Momba ny “hira fanentanana”

Ny Filohan’ny FJKM dia misaotra an’Andriamanitra lehibe noho ny aminareo rehetra izay nandray anjara tamin’ny famoronana feony ny hira fanentanana amin’ity Vina lehibe ity. Fantatra ny fisahirananareo satria fohy ihany ny fotoana nomena; nefa tena nanam-pitiavana ny Tompo JESOA sy ny Filazantsara ianareo ka tsy niroa fo! Ny Tompo anie hamaly fitia anareo ary hotahina anie ny talentanareo! Araka ny efa nifampiresahana moa dia iray ihany ny feon-kira hotazonina. Koa ny noraisina dia ny an’Atoa RAKOTONANAHARY A. avy ao amin’ny FJKM Ivandry. Miarahaba azy amin’ny anaran’i JESOA isika. Ho henontsika ao amin’ny Radio Fahazavana manomboka izao ity hira fanentanana ity ary irariana ho haintsika rehetra hiaraha-miredona eny amin’ny fanompoam-pivavahana lehibe kasaina hatao eny Antsonjombe amin’ny Alahady 15 Janoary 2017, raha sitrapon’ny Tompo!

IRAKO  ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

HAFATRA KRISMASY

Krismasy izao ny andro

K’andeha hifanafarana eto

mba hovana hatram’izao

ny fiteny nahazatra:

hankalaza ny hazo noely”,

“hankalaza ny noely”!

 

Tsia, ry Fiangonana ô,

fa tsy hazo velively

izao ankalazaina izao!

Eny, tsy andro mihitsy koa,

na dia andro miavaka aza.

Fa Iray no ankalazaina

Dia I JESOA IRERY IHANY!

“Mankalaza Azy Tompo

Noho ny andro noely” isika.

Izay no marina tokoa!

Ary tsarovy koa:

i JESOA TOMPO no ataovy

ivon’ny Krismasy

ka ho antom-piravoana;

fa tsy hoe ny akanjo vao,

na ny hanimpito loha,

na ny kilalao, rankizy!

Ireny rehetrarehetra ireny,

mahafinaritra, kanefa,

tsy foto-javatra tsy akory;

ka na sendra tsisy aza,

aoka re tsy hatao hanimba

ny Krismasinao !

I JESOA TOMPO ANATINAO

NO FIFALIANA FARATAMPONY

Hanaovan-KRISMASY SAMBATRA!

 

IRAKO  ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

  

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV