Alahadin’ny SEKOLY ALAHADY 2016

Fandaharana iombonana / Toriteny / Hafatra

ALAHADY 11 DESAMBRA 2016

 (Litorjia amin’ny endriny voalohany)

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO”

 

1) Fiarahabana apostolika

2) Fiderana an’Andriamanitra – Sal.145,1-6

– Hira – Vavaka fiderana sy fisaorana

3) Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra: Mat.5, 14-16 ; Sal.119:1-2

– Hira 317/1,4

4) Vavaka fiaiken-keloka

– Hira 452/1,3

5) Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra :

Rom.8, 28-30 ; Sal.32, 1-2 – 780/1,2

6) Fanekem-pinoana apostolika

7) Asan’ny Fiangonana

– Raharaha

– Rakitra : Hira 787

– Fanolorana ny rakitra : Hira 512/5

8) Tenin’Andriamanitra :

– 5mn an’ny Sekoly Alahady

– Hira 786/1,4

– Vavaka mialoha ny vakiteny

– Vakiteny:

  • Sal.8,1-9
  • Lio.1,57-66
  • 1 Kor.10,31-11,1

– Hira 761/1,3

9) Toriteny

10) Vavaka fangatahana

11) Asa vavolombelona

12) Famaranana:

–     Hira 779/1

–     Tsodrano

–     Hira 770/1, 6

13) Vavaka mangina…

“Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina, Amen!”

………………………………………………………………………………………………………………..

 

HAFATRA HO AN’NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY

ATO AMIN’NY SAHAN’NY FJKM

 

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1, 8)

Ry havana

Ny Filoha sy ny Birao ary ny Tonian’ny Sampana, eto amin’ny Sekoly Alahady Foibe, no mamangy sy mampahery ny Birao isan’Ambaratongan-drafitra sy ny Mpampianatra ary ny Mpianatra Sekoly Alahady rehetra, manerana ny SP valo ambitelopolo, ato amin’ny FJKM.

Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny fahasoavan’ny Tompo.

Miara-misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho ity Alahady ity izay omeny antsika indray mba hahatsiarovantsika ny hasarobidin’ny asan’ny Sampana Sekoly Alahady, eto amin’ny Fiangonany.Mba hahatonga antsika ho Sekoly Alahady sahy, ary tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika dia ampaherezina sy entanina isika hiombom-po amin’ireto ambara manaraka ireto :

Momba ny Kilasy, fandaharan-desona ary fanadinana

Efa mizara ho Dingana A sy B ny kilasy rehetra, hatreo amin’ny kilasy fahavalo ; ka ny kilasy Dingana A rehetra dia hampianarina lesona miisa enina (6):

Lesona 1 ka hatramin’ny faha- 3, miampy ny lesona faha-7  ka hatramin’ny faha-9 ;

fa ny  Dingana B izay ahitana lesona enina (6) koa dia hianatra ny Lesona faha-4 ka hatramin’ny faha-6, miampy ny faha-10 ka hatramin’ny faha -12.

Amin’ny boky edisiona aty aoriana dia hiavaka araka izany ny lesona amin’ireo kilasy sy dingana ireo.

Momba ny SAMM

Mino izahay fa efa mijoro ary am-perinasa ny Filan-kevitry ny SAMM any anivon’ny SP, izay hihevitra ny fampandrosoana ny SAMM any amin’ny isan-tSynodamparitany, ka nanao izay ahatomombana ny fianarana sy Tombana ao amin’ny SAMM ary ny fanadinanana sy ny fitsarana ny Fanadinana Sekoly Alahady,  araka ny fanapahan-kevitry ny Zaikabe.

Ireo SA SP, izay efa nanokatra ny SAMM tao anatin’ny 2 taona no ho mihoatra dia iangaviana indrindra handefa ny dinidinika rehetra momba izany aty amin’ny Foibe mba hahazoana mandrindra sy mandamina ny fotoana famoahana, mba tsy ho tratra aoriana loatra ny fandaminana momba izany.

Aza misalasala mifampidinika amin’ny Foibe hahazoana manatanteraka izany, ihoarantsika ny mety ho olana, na sakana. Mampahery antsika amin’izany, ry havana. Misy kosa ireo SP mbola tsy nahatanteraka ny fanokafana ara-pombam-piangonana ny SAMM, koa mampahery anareo hatrany izahay. Aoka tsy hisalasala ianareo hanatona ny SA Foibe, araka ny teny hoe : « Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara » (Heb 10,24).

Mampirisika sy mampahery hatrany ny Mpampianatra SA rehetra hanome lanja ny fianarana any amin’ny SAMM, satria fianarana sy fiofanana mitohy no kendrentsika mba hahatonga ny Sekoly Alahady ho Sampana mampiorina mafy ny finoana ato amin’ ny Fiangonantsika.

Faha-20 taona maha mpitandrina an’i Tonia .

Ampahafantarina isika fa nahatratra faha 20 taona maha Mpitandrina azy ny Tonian’ny Sekoly Alahady, RAKOTOARISOA Heritiana Kaleba Mpitandrina, hatokantsika hiara-misaotra an’Andriamanitra amin’izany ny tolakandron’ny  Alahadin’ny Sekoly Alahady 11 Desambra 2016, amin’ny 2ora sasany, ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.

Isika eto amin’ny SP manodidina an’Antananarivo dia antsoina hiombona amin’izany, fa ny lavitra kosa no hanolotra tsodrano(valopy) ho mariky ny fiombonana ka aterina aty amin’ny Foibe Sekoly Alahady.

Momba ny Fihaonambe .

Hotanterahina amin’ny taona ho avy 2017, ny Fihaonamben’ny Sampana Sekoly Alahady, ary hatao any Toamasina izany. Koa mampiomana antsika rehetra dieny izao. Ny Mpikambana rehetra ato amin’ny Sampana SA no antsoina hanatrika izany.

 « Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. » (1 Kor 15, 58)

Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo. Antananarivo, faha 19 Oktobra 2015.

 

Ny Filohan’ny SA FJKM

ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina

 

………………………………………………………………………………………………………………..

 

TORITENY

ALAHADY 11 DESAMBRA 2016

Salamo 8

“Ankalazaina ny anaran’ny Tompo!”

Talanjona ny mpanao salamo raha mandinika ny zava-boaharin’Andriamanitra. Nanetsika ny aingam-panahiny izany ka nahatonga azy hankalaza sy hidera an’Andriamanitra. Ny fiderana sy fankalazana tsara indrindra dia izay vokatry ny fahatsapana na fahitana mivantana izay rehetra  nataon’Andriamanitra, toy izay hita eto .

Fianarana ho antsika ity salamo ity, mba hibanjinantsika indray ny asatanan’Ilay Mpahary izao rehetra izao, ka hankalazantsika amin’ny fontsika manontolo ny Anarany Tsitoha . Ankalazao ny Anarany satria:

  • Mpahary izao rehetra izao Izy. Misongadina ato amin’ity salamo ity ny fitanisana ireo asan’ny tanan’Andriamanitra (and.6); ny tany sy ny lanitra (and.1);  ny volana sy ny kintana (and.3);  ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra , ny bibidia (and.7) ; ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina (and.8). Ary indrindra fa ny olombelona (and.4), eny hatramin’ny ankizy madinika (and.2).

Efa zatra loatra ny masontsika mahita isan’andro ny volana sy ny kintana, na ny ranomasina mitomandavana , ka tsy mba mahasaina kely akory ny amin’ilay Mpahary izay mandrindra sy mandamina azy ho azo ivelomana sy iainan’ny zanak’olombelona. Raha tsy eo ireo zava-noforoniny dia tsy velona toy izao isika , mbola ireo ihany no miantoka ny fahavelomantsika sy ny fiainantsika isan’andro. Misaora Azy ary mankalazà ny Anarany satria mbola afaka miaina, mifoka rivotra , mahita anjara masoandro, mbola mahazo tombonandrom-pahavelomana; mbola omeny hery sy tanjaka ka afaka hiasa sy hamelona ankohonana . Ary tsy izany ihany fa anehoan’ny Tompo ny voninahiny ireny zava-noforoniny ireny ka hoy indrindra ny mpanao salamo hoe: “Endrey ny voninahitry ny Anaranao amin’ny tany rehetra.” (and.1). Andeha isika hankalaza sy hanome voninahitra Azy , fa Izy no mpanao ny lanitra sy ny tany, izany dia araka ny fanekem-pinoantsika rahateo manao hoe: “Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany aho” … “ Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao,  ary Izy no mihazona azy ,sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen” (Rom.11, 36)

  • Manome anjara toerana ny ankizy madinika sy ny zaza Manana anjara toerana amin’ny fiderana an’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra, eny fa na hatramin’ny ankizy madinika sy ny zaza minono mbamin’ireo  izay rehetra heverina ho malemy aza. Tsarovana eto fa anisany nandray anjara tamin’ny  fankalazana an’i Jesoa mpanjaka ny ankizy madinika , izay niantsoantso  hoe: “Hosana, hosana ho an’ny Zanak’i Davida”( Mat.21,16). Ary ny toy izany  koa no antony anomezan’ny Fiangonana anjara manokana ny tanora sy ny ankizy mandritra ny fanompoampivavahana  isaky ny alahady,  fa tsy hoe rehefa be ny raharaha dia tsy homena anjara aloha ny ankizy .

Fa hoy ny mpanao salamo hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery…” (and.2a).Fa hoy Jesoa: “…Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.” (Lio.18, 17)

  • Nataony miavaka amin’ny zava-boahary rehetra ny olombelona (and.5,6,7,8) Na dia kely sy bitika aza ny olombelona raha oharina amin’ireo zavaboahary maro, Andriamanitra kosa nametraka azy tsy misy mpanelanelana mihoatra Aminy ka nampisatroka azy satro-boninahitra sady nanao azy ho mpanjakan’ny zava-boahary (and.5, 6) Ka dia indro fa tonga eo ambany fahefany avokoa ny zava-boahary rehetra.

Mahavariana ny firoborobon’ny fahaizan’ny zanak’olombelona  ,ny fivoaran’ny  teknolojia samihafa  sy ny famolahany ny zava-boahary toy  ny biby na ny zava maniry , na ny ambonin’ny tany na ny ambanin’ny tany , araka izay voasoratra  hoe: “Ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony.” (and.6b) Kanefa na dia nampanjakaina aza  ny olombelona, Andriamanitra kosa nandidy azy mba hikarakara sy hiaro koa (Gen.1, 28; 2, 15). Tsy azony atao ny fitrandrahana mihoampampana fa manimba ny fiainany izany ka mahatonga fikorontanan’ny toetrandro sy loza maro samihafa. Maro amin’ireo loza izay lazain’ny sasany fa “voajanahary” kanefa dia  vokatry ny ataon’ny olona ihany. Ambaran’ny mpanao salamo koa fa maneho ny voninahitr’Andriamanitra mpahary ireny zava-boahary  ireny (Sal.19,1) ka ankalazana Azy, noho izany dia tsy azo simbasimbaina. Ny vokatry ny fahotana no nanimba ny fifandraisantsika tamin’Andriamanitra, sy ny fifandraisan’ny olona samy olona ; ary ny fifandraisana tamin’ny zava-boahary  ary dia tonga  ny fikorontanana sy ny faharavana izay miseho amin’ny endriny samihafa izay manakona ny voninahitr’Andriamanitra. Ny firindrana sy ny filaminan’ny voahary manontolo no mampiseho ny voninahitr’Ilay mpahary ka nahatonga ny mpanao salamo hiloa-bava hoe:

…Endrey ny voninahitry ny Anaranao amin’ny tany rehetra!”(Sal.8, 1)

Fehiny:  Mihasimba ny tontolo iainan’ny zanak’olombelona fahotany araka ny voasoratra hoe: “ …fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento…”(  Rom.8,22) Mavesa-danja eo anatrehan’Andriamanitra  ny nohariany ary mitsimbina azy ireny Izy  . Nataon’Andriamanitra miavaka tamin’izany isika olombelona satria  nohariany mba hankalaza sy hanome voninahitra Azy. Andraikitra makadiry napetraka amintsika  ny hiaro ny tontolo iainana. Antom-piisiantsika olombelona rehetra izany. Ankalazao ny Tompo, fa Izy no Mpahary. Omeo sehatra ny ankizy madinika mba hahafahany mankalaza ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen!

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV