Aumônerie FJKM / Varavarana misokatra

Fantaro ny asan’ny Fiangonana :

Manatanteraka varavarana misokatra ny AUMONERIE NASIONALY eo anivon’ny FJKM mandritra izao herinandro izao : Talata 06 -09 Desambra 2016 .

Ny Filohan’ny FJKM , Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina no nanokatra izany . Nambarany tamin’ny fandraisam-pitenenany fa amin’ny asa  ataon’ny fiangonana  dia manao asa fototra isika amin’ny alalan’ny Aumônerie. Koa aoka isika hiasa amin’ny fifaliana , kanefa koa  tokony hitandrina  tsara  amin’ny fitantantana ny tetikasa ho amin’ny fahamarinana .

Mahakasika ny fitsaboana : Hisy ny tetikasa  hijerena manokana ireo olona eny ambany tanàna eto Antananarivo .

Mahakasika ny fonjaben’ Antanimora sy Manjakandriana, dia efa azo atao  ny miditra  any  faritra manokana misy ny lehilahy , ny vehivavy mba hahazoana mitory ny Filazantsara amin’izy ireo , mitaona  azy hitodika amin’ Andriamanitra , mampianatra mamaky teny sy manoratra ho an’izay mila izany . Manao fanampiana samihafa hitsinjovana ny maha- olona .Voalazan’ny fijoroana  vavolombelona fa efa  nisy Silamo niova fo ka tonga kristiana tao amin’izany toerana izany . Tafajoro ihany koa ny Chapelle toerana hivavahana ao Antanimora .

Mahakasika  ny APU (Aumônerie Protestante Universitaire), dia ahitana vondrombavaka , manao fihaonambe ireo mpianatra  ao amin’ny APU isaky ny efa- taona . Ny tanjon’ny fifampitaizana dia  ny hahatonga azy ireo ho olom-pirenena vanona indrindra fa ara-panahy .Amin’ny fiafaran’ny taom-pitaizana dia misy hatrany ny LASY tanterahan’ireo mpianatra .

Misandrahaka ny asan’ny AUMONERIE FJKM, ary ahitana izany avokoa ny sehatra : Sekoly , Université , Hopitaly, Marary hoditra , Anjorombala , Foloalindahy ,Fonja …

Fa izay nanaitra ny maro vory lalona tao amin’ny efitrano malalaky ny FOIBE FJKM dia ny fijerena an-tsary arahim-panazavana nataon’ny Mpitandrina POGET Helivao  ny fomba fiasa amin’ny fitoriana ny Filazantsara amin’ireo « Dahalo » any Atsimon’ny Nosy  sy ny fitaizampanahy  eo anivon’ny « Foloalindahy »  nohazavain’ny Mpitandrina Rakotozafy Michael.

 

CONFERENCE :

Asa Fitoriana ny Filazantsara

eo anivon’ireo manao  ny asan-DAHALO

 

Mitory ny Filazantsara ny Fiangonana, tsy miandry fanjakana  , tsy miandry vola , ary dia misy tokoa ny miova amin’ny fitondrantena ratsy niainany teo aloha .

Azo sokajiana telo ireo  olona manao ny asan’ny malaso araka ny fanarahana izany an-tsary :

Misy ny mitondra fanamiana , akanjo maitso : dia ireo mbola tena atahorana ; ao ny manao akanjo marron : eo ho eo ihany , ary efa miroso tsikelikely amin’ny  fanavaozam-piainana ary ao ny loko hafa mifangaro  izay efa tafiditra  ao amin’ny rafitry ny fiaraha-monina .

Ny asa dia iarahana amin’ ny SP Ambovombe Kristy Ranovelona , commune  Ankazoabo , Région Anosy .Nisy fanangonana ireo « dahalo ». Manao ny fitafiana maitso mitovy  izy ireo amin’izany . Ny Fikambanana Gideona no mizara Filazantsara ho an’ny tsirairay . Nisy ihany koa ny asa natao tao Esira, Région Anosy niarahana  tamin’ny Pasteur Clario avy ao amin’ny FJKM Amboasary ; ny tao Ifotaka nandraisan’ny Mpitandrina SOJA , President Synodal anjara tamin’ny fanazavana ny Soratra masina ; ny tao Maroantsirana , Ebelo , Beala . Marihina  fa ny kely indrindra amin’ireo nanao asan-dahalo ireo dia 12 taona .Ny tao  amin’ny commune Mandiso , ny commune Andranobe dia manao ny fitafiana miloko mavokely, grenat , izay azo lazaina  fa efa tafarina ;.

Araka ny tatitra  nataon’ny mpandahanteny dia miisa hatrany amin’ny 30 000 isa ireo zanak’ Andriamanitra mangetaheta  famonjena  sy fiovan-toetra ireo ao amin’ny Région Anosy . Misy ny fiaraha-miasa  amin’ny Gendarmerie amin’izany asa ataon’ny Fiangonana izany , tarihan’ny Kapiteny FANEVA , ary dia samy manantanteraka ny andraikitry ny tsirairay ,indrindra ny fiarovana ireo mpitory ny Filazantsara . Atao hatrany ny fanentanana azy ireo  mba hiditra ao anatin’ny fiangonana ary dia misy koa ny ezaka  fananganana Fiangonana  amin’ny toerana tsy mbola misy izany .

 

Fitaizam-panahy eo anivon’ny FOLOALINDAHY

Ny Mpitandrina RAKOTOZAFY Michael , Aumônier ao amin’ny Chapelle Ampahibe sy Ivato  no namelabelatra  ny fomba fiasa  rehefa misy ny ady sy amin’ny fotoana tsy misy ady .

1-Ahoana no atao rehefa misy ny ady ?

An-tsary no nanehoana ny fanazavana  rehetra . Ny zava-misy any ivelany moa no naseho any amin’ireny tany miady ireny ,teo am-panombohana ny fanazavana .Mialohan’ny fahafatesan’ny miaramila iray dia miatrika izany ny Aumônier ka  manao ny asa pastoraly , mizara ny Tenin’ Andriamanitra . Rehefa  misy trêve kely dia mampivavaka ireo miaramila ny Aumônier . Misy ny fanaovam-batisa ho an’ireo izay akaiky ho faty . Eny an-tsefatsefany eny dia hatao hatrany ny fananarana , ny fanitsiana , mampita ny vaovao  avy any amin’ny fianakaviana sns…

2-Ny fomba atao rehefa tsy misy ady

Amin’ny fotoana tsy misy ady kosa dia  ny fanamafisana ny fiainam-pianakaviana no tena imasoana . Hamafisina ny vondrombavaka . Misy fandraisana manokana ireo vady miaramila sy zandary , ary hakana olona amin’ny sehatra samihafa mba hanao ny fampianarana samihafa  sy toro-làlana ho amin’ny làla-mahitsy . Misy ihany koa ny fotoana hatokana hialam-boly . Nitsangana tamin’ny taona 2006 ny antsoina hoe : « Vondrombavaka Miaramila Kristiana » (VMK). Misy ny fiaraha-mandinika Soratra masina  any amin’ny « Camp » miaramila , indraindray maro, indraindray vitsivitsy ny olona tonga manatrika . Manatanteraka  famangiana pastoraly ihany koa ny Aumônier , any ambanivohitra lavitra any  . Ampirisihany hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny Mpitandrina eo an-toerana . Tezaina ihany koa ireo zazavao mba tsy hibirioka , fa ireny indraindray no ampiasain’ny olona hanao zavatra tsy manjary .

Manatrika ny fiofanana any ivelany  ireo Aumôniers eto amintsika  noho ny tsy mbola fisian’izany eto an-toerana . Tena mahomby ny fanontana ny Baiboly voatokana ho an’ny miaramila : miloko maitso maramara mitovy amin’ny fanamian’ny miaramila , ary efa betsaka ny mamaky izany .

Mivavaha ! Mivavaha !

Tena asa mihatra amana aina ny asan’ Andriamanitra  indrindra ny fitadiavana ireo ondry very any anaty akata rehetra any . Manentana antsika mpino kristiana mba hivavaka ho an’ireny olona manam-panahy hovonjena ireny mba ho tratran’ny Filazantsara ihany koa ireny , hahita ny fitiavan’ Andriamanitra  , ka hiala amin’ny ratsy fanaony . Mivavaha ho an’ireo mpirotsaka an-tsehatra manao vivery ny ainy ho famonjena  ireo rahalahy maro ,tsy mahita izay havia sy havanana ireny ,mba hahavita ny alehany dia ny fanompoana izay noraisiny tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra .

« Mahareta  amin’ny fivavahana  , ka miambena   amin’izany amin’ny fisaorana , ary  mangataha  koa ho anay  , mba hamoahan’ Andriamanitra varavarana ho an’ny teny hilazanay  ny zava-niafina izay an’i Kristy … » Kolosiana 4.2

 

Nangonin-dRamatoa Sahondra

(Site web/afifab)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV