Oniversity Ravelojaona / EESSNAE.

 

Ny Oniversity FJKM RAVELOJAONA -ECOLE SUPERIEURE DES SCIENCES NATURELLES,AGRONOMIQUES ET ENVIRONNEMENTALES (ESSNAE)

dia faly mampandre antsika mpianakavin’ny finoana fa misokatra izao io sampam-pianarana ambony io , izay manaraka ny système LMD ary ahitana làlam-piofanana roa:

-ny làlana fohy ezaka na « cycle court » (Baccalauréat+2 na L1+L2) manomana ny « Diplôme de Technicien Supérieur en Monde Rural » na DTSMR izay tonga dia mitondra ny mpianatra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany .

-Ny làlana lavitra ezaka na « cycle long » (Baccalauréat+(L3)+4(M1)+5(M2)+…(D)izay manomana ny Diplômes : Licence, Master, Doctorat.

Marihana fa ny mpianatra nahazo ny DTSMR dia afaka manohy L3 amin’ny làlana lavitra ezaka raha tiany .

Ny mpianatra horaisina amin’izany dia ireo izay manana Baccalauréat , aorian’ny sivana na ny « sélection de dossier » arahana dinidinika na « entretien« .

Ny fisoratana anarana voalohany na »pré-inscription , ho amin’ny taona voalohany (L1)dia manomboka ny 29 Septembre 2016 ka hatramin’ny 19 Desambra 2016.

Ny zavatra rehetra ilaina amin’izany dia azo jerena ao amin’ny Oniversity Ravelojaona Sampam-pianarana momba ny Fahasalamana ao Ambatobevanja .

Ny fidiran’ny Sekoly ESSNAE dia amin’ny volana Janoary 2017 .

Ny Filohan’ny Komity Mpitantana ny ESSNAE

Professeur RAMINOSOA RASOAMAMPIONONA Noromalala

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV