25 DESAMBRA VE NY KRISMASY ?

 

Betsaka no manontany raha tena 25 Desambra tokoa ny Krismasy izay nahaterahan’i Jesoa Tompo Mpamonjy. Raha ny Baiboly, dia tsy manome daty nahaterahany izany.

Ny daty nahafatesan’ny olona iray no tena fanao fahiny ny mitadidy azy, fa tsy ny nahaterahany akory. Isika aty aoriana no mikaroka izany daty nahaterahana (anniversaire) izany, na dia tsy olana nipetraka akory tamin’ny mpiara-belona fahiny sy ny Kristiana voalohany aza izany. Ireto misy antony vitsivitsy nisafidianana izany daty izany.

KAJY LOJIKA

Raha ny tombatombana, dia maty ny 25 Martsa i Jesoa. Ary fiheverana mahazatra ny hoe maty tamin’ny andro notorontoronina azy ny olo-malaza. Ny Malagasy dia toa nanana fiheverana manakaiky izany : tononandro tsy maha lehilahy. Amin’izay fiheverana izay, dia notorontoronina ny 25 Marsa izany Izy, ary 9 volana taty aoriana, dia teraka ny 25 Desambra.

DATY SAMIHAFA

Ireto misy daty maromaro izay noheverina fa nahaterahan’i Jesoa : 25 Desambra, 06 Janoary, 07 Janoary, 28 Martsa, 19 Aprily, 20 Mey. Misy antony avokoa napetraky ny mpiandany tamin’ireny daty ireny. Ny malaza indrindra dia ny 25 Desambra sy ny 06 Janoary. Ny Papa Libère no nanao ny daty 25 Desambra ho fety nahaterahan’i Jesoa.

Misy Alimanaka roa natanjaka fahiny, dia ny Alimanaka grégorien sy Alimanaka julien. Misy elanelana 13 andro ireo Alimanaka rehefa ampitahaina. Ho an’ny Alimanaka grégorien, ny 25 Desambra rehefa ampiana 13 andro, dia 06 Janoary.

Amin’izay fotokevitra izay, dia iray ihany ny 25 Desambra izay nankalazana ny Noely na Krismasy tany Andrefana (Roma), sy ny 06 Janoary izay nankalazana ny Krismasy tany Atsinanana (Ortodoksa). Ny Alimanaka arahina eran-tany ankehitriny, dia ny Alimanaka grégorien.

FOTOKEVITRA KRISTIANA

Matoa tsy nanana toerana tao amin’ny Filazantsara ny daty marina nahaterahan’i Jesoa, dia tsy fanaon’ny mpiara-belona fahiny izany. Ary raha nitady daty ifanarahana ny Fiangonana momba izay nahaterahany, dia satria tena nisy tety an-tany i Jesoa Kristy. Tsy angano, tsy fotokevitra manidintsindina, fa tena nisy.

Adihevitra tsy misy lanjany loatra ny momba izay daty marina nahaterahany, raha oharina amin’io fotokevitra io. Mandraka ankehitriny rahateo, dia misy olona tena misy sady velona, nefa tsy fantatra ny daty nahaterahany. Ny fisiany, izay nataony, ny fifaneraserany taman’olona : samy nisy avokoa ireny.

Ny tsy fisian’ny daty marina akory, dia tsy manafoana velively izay fankalazana ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany hamonjy antsika mpanota. Raha ny marina aza, dia isan’andro ny Noely na Krismasy ho antsika, fa daty tokana mampahatsiaro ihany ny fahatongavany io 25 Desambra io.

Dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra, tompoko

Andriampianina Zaka , Mpitandrina

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV