Alahadin’ny KPMS 2016 .

              KOMITIM-PIRENENA MIADY AMIN’NY SIDA .

“Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko”(Estera 8/6) .

        ALAHADY 27 NOVAMBRA 2016.

Ankasitrahan’ny Tompo ny asan’ny mino .

………………………………………………………………………………………………………………..

FANDAHARANA IOMBONANA

     Feon-javamaneno fidirana

Fiarahabana Apostolika

Salamo fiderana : 150

Hira Fanampiny : 9

Vavaka fiderana

Fanambarana ny Sitrapon’Andriamanitra: Fil.2 :5-7

+ Sambatra ny mahitsy làlana……..

Hira 445: 2

Vavaka fifonana

Hira 412:1

Famelan-keloka : Jaona 3:16 Lioka 19:10

Hira 79

Fanekem-pinoana Apostolika

Raharahan’ny Fiangonana

Famakiana ny hafatra avy amin’ny KPMS

RAKITRA

Fanolorana ny rakitra

Hira  Fanampiny faha- 51

Vavaka

Famakiana ny Soratra Masina:

Isaia 62: 10-13

                    Lioka 19: 11-28

                    Kolosiana 3: 22-25

Hira 175: 1,2,

TORITENY

Vavaka fangatahana

ASA VAVOLOMBELONA

Hira fanampiny 24:1

TSODRANO

Hira Fanampiny  24:2

            TRINITE MASINA

………………………………………………………………………………………………………………..

TORITENY

 

Hafatra roa lehibe no hoentin’I Paoly Apostoly amin’ny alalan’ity Tenin’Andriamanitra eto amin’ny Kol 3: 22-25 ity. Voalohany, dia asongadiny mazava eo fa:

1-MANKASITRAKA NY MARINA NY TOMPO

Eo amin’ny and 22 eo dia mitodika manokana amin’ireo mpanompo I Paoly Apostoly ka mitaona azy ireo mba hanaiky ny tompony, izany hoe hipetraka eo ambany fahefan’izy ireo sy hanaja azy ireo.

Mitaona ny mpanompo ihany koa I Paoly Apostoly mba ho marina amin’ny asa izay ataony, izany hoe:

Hanao izany amin’ny fo, amin’ny fitiavana sy amin’ny fahatsoram-po tanteraka.

Hanao izany tahaka ny ho an’ny Tompo.

Rehefa manao ny asany tahaka ny ho an’ny Tompo tokoa ny mpanompo dia tsy ny sitraka avy amin’ny mpampiasa na ny tahotra ny mpampiasa no manosika azy hiasa fa ny tahotra an’I Kristy.

Rehefa ataony ho an’ny Tompo ihany koa ny asa dia tsy raisiny ho toy ny sazy izany, fa ataony amin’ny fifaliana ary ataony tsara na misy na tsy misy ny fanarahamaso ataon’ny tompony.

Araka ny lalàna, ny andevo na ny mpanompo dia tsy mahazo mandova.

Saingy, ambaran’I Paoly Apostoly fa raha manao ny asany, amin’ny fo, amin’ny fitiavana tahaka ny ho an’ny Tompo, ary amin’ny fahatsoram-po ireo mpanompo ireo, dia mampanantena valisoa ho lova ho azy ireo ny Tompo: (and 24) ary lova avy any an-danitra no lehibe indrindra amin’izany valisoa izany.

Maneho izany fa mankasitraka ny marina tokoa ny Tompo dia ireo izay manao ny asany amin’ny fo, amin’ny fitiavana amin’ny fahatsoram-po izany, ataony tonga mpandova izy ireny.

FAMPIHARANA:

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, tsarovy fa mankasitraka ny marina ny Tompo dia ireo manao asa marina izany.

Mety ho mpanompo ara-nofo ianao,mety tsy mpanompo ara-nofo ihany saingy na inona na inona toerana misy anao dia ataovy amin’ny fo, ataovy amin’ny fitiavana, ataovy amin’ny fahatsoram-po ary ataovy tahaka ny ho an’ny Tompo, izany hoe ataovy marina ny asanao fa raha manao izany ianao dia handray vali-pitia avy amin’ny Tompo.

Faharoa, asongadin’I Paoly Apostoly mazava eto ihany koa fa

2-MANAFAY NY TSY MARINA IHANY KOA NY TOMPO.

Hoy I Paoly Apostoly eo amin’ny and 25 eo “Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’olona.”

Araka izany dia mananatra ireo mpampiasa I Paoly ny amin’izay tokony handehanan’izy ireo amin’ny fahamarinana mandrakariva ka tsy hanararaotra ny mpanompony.

Mampahafantatra I Paoly fa I Kristy, Ilay Tompo Marina, dia hamaly ara-drariny izay atao.

Tsy ireo mpampiasa ihany anefa no iantefan’ny fananarana izay ataon’I Paoly eto amin’ity and 25 ity, satria ny andianteny hoe “izay manao ny tsy marina” eto dia azo hanondroana sojakin’olona maro dia ireto avy izany:

Ireo izay manao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Ireo izay tsy mahitsy amin’ny zavatra ataony sy ireo ireo izay tsy manara-dalàna

Ireo izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipiky ny fiaraha-monina

Ireo izay manao zavatra tsy tokony ho izy sy ireo izay tsy mahatoky

Izany hoe :ireo izay tsy marina eo amin’ny fifandraisana, ireo izay tsy marina eo amin’ny fiainana andavanandro, ary ireo izay tsy marina eo amin’ny asa sy eo amin’ny fitondrantena dia iharan’ny famaizana Andriamanitra avokoa, rehefa avy ialan’Andriamanitra nenina.

Noho izany, fampitandremana, famaizana , kapoka, sazy ary fanamelohana no miandry ireo izay miaina araka ny tsy fahamarinana satria manafay ny tsy marina ny Tompo.

FAMPIHARANA

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, anisan’izay antony mampiroborobo betsaka ny fihanaky ny tsimokaretina VIH SIDA ankehitriny ny fitomboan’ny olona izay manao ny tsy marina ka manao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra toy ny fampirafesana, ny fijangajangana amin’ny endriny maro samihafa.

Azo sorohana tsara anefa izany fihanaky ny tsimokaretina izany raha ny ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-pianakaviana no mifanolo-tanana amin’izany ady amin’ny tsimokaretina izany.

Amin’izao Alahady natokana ho Alahadin’ny KPMS izao, andeha isika hanao fanamby ka hiezaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina mba handeha araka ny Sitrapon’Andriamanitra, hanara-dalàna, hitoetra ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra fa ny fanaovantsika izany dia fandraisana anjara lehibe amin’ny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH SIDA izay loza mitatao ho an’ny firenentsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

HAFATRA

 

Ry Mpianakavin’ny finoana ao amin’ny Tompo Jesoa !

Ho aminareo mandrakariva anie ny Fiadanan’I Kristy.

Fifaliana ho an’ny Komitim-Pirenena Miady amin’ny SIDA na KPMS  ny mampahafantatra  antsika  rehetra  fa  ny  Mpiandraikitra Foibe  nivory  tamin’ny 21-28  Oktobra  2015  dia  nanapa-kevitra fa omena Alahady iray isan-taona ny Komitim-Pirenena Miady amin’ny VIH sy ny Sida izay atao hoe “Alahadin’ny KPMS”. Noho  izany  ny  “KPMS”  dia  faly  mampahalala  antsika fa, manomboka izao, ny Alahady farany  amin’ny  volana  Novambra isan-taona dia  antsoina hoe “Alahadin’ny KPMS”.

Noho  izany  amin’ity  taona ity  dia  ny  27 Novambra 2016 no atao hoe Alahadin’ny KPMS manerana ny sahan’ny FJKM. Tena asa fijoroana ho vavolombelona ny ady atao amin’ny VIH sy ny SIDA. Ka ho fandraisan’ny Fitandremana anjara  dia mangataka aminareo izahay mba hanangana ny Komitin’ny Fitandremana Miady amin’ny Sida na ny KFMS. Ny andinidininy rehetra dia azonareo anontaniana ao amin’ny KPMS Foibe Ifanomezantsoa Antananarivo.

Ny Mpitandrina rehetra dia efa manana ny boky taridalana “dimy minitra amin’ny ady amin’ny SIDA”. Koa entanina isika mba hanatanteraka izany araka izay fandaminana mety amin’ny isam-pitandremana. Ho fiaraha-mientana amin’izany dia hamoaka fandaharana iombonana  isan-taona ny KPMS mba hitondrana am-bavaka ny asa. Marihina ihany koa fa amin’io fotoana io ny isam-pitandremana dia hanao rakitra ho  fanohanana  ny KPMS.

Izany fanomezana avy aminareo izany dia alefa aty amin’ny Foibe Ifanomezantsoa-Antananarivo ao amin’ny Biraon’ny KPMS rihana faha-4,

Tel. 033 14 477 16 na 032 07 536 86

mailaka “ kpms.fjkm@gmail.com

na  arotsaka amin’ny : kaonty BOA  N° 1602281000942

KPMS/FJKM

Immeuble Ifanomezantsoa FJKM Foibe

BP 623 101 ANTANANARIVO

 

Ankasitrahana indrindra ianareo ry havana ny amin’ny fitiavana asehonareo.Ny Tompo Jesoa anie hamaly fitia anareo.

Hamaranana izao hafatra izao, dia indro ampiarahinay amin’ity fandaharana ity ny taratasy  fanatanterahana  avy amin’ny Sekretaria Jeneraly.

Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra  noho ny fahalalana rehetra  hiaro  ny  fonareo  sy  ny  hevitrareo ao amin’I Kristy Jesoa.

 Amin’ny anaran’ny KPMS/FJKM Foibe

 Ny Filoha

RAZAFIMAHATRATRA Jean William,  Mpitandrina

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

TORINTENY

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadana avy amin’Andriamanitra Ray sy I Jesoa Kristy Tompo. Amen.

Hafatra roa lehibe no hoentin’I Paoly Apostoly amin’ny alalan’ity Tenin’Andriamanitra eto amin’ny Kol 3: 22-25 ity. Voalohany, dia asongadiny mazava eo fa:

  • MANKASITRAKA NY MARINA NY TOMPO
  • Eo amin’ny and 22 eo dia mitodika manokana amin’ireo mpanompo I Paoly Apostoly ka mitaona azy ireo mba hanaiky ny tompony, izany hoe hipetraka eo ambany fahefan’izy ireo sy hanaja azy ireo.
  • Mitaona ny mpanompo ihany koa I Paoly Apostoly mba ho marina amin’ny asa izay ataony, izany hoe:
  • Hanao izany amin’ny fo, amin’ny fitiavana sy amin’ny fahatsoram-po tanteraka.
  • Hanao izany tahaka ny ho an’ny Tompo.
  • Rehefa manao ny asany tahaka ny ho an’ny Tompo tokoa ny mpanompo dia tsy ny sitraka avy amin’ny mpampiasa na ny tahotra ny mpampiasa no manosika azy hiasa fa ny tahotra an’I Kristy.
  • Rehefa ataony ho an’ny Tompo ihany koa ny asa dia tsy raisiny ho toy ny sazy izany, fa ataony amin’ny fifaliana ary ataony tsara na misy na tsy misy ny fanarahamaso ataon’ny tompony.
  • Araka ny lalàna, ny andevo na ny mpanompo dia tsy mahazo mandova.
  • Saingy, ambaran’I Paoly Apostoly fa raha manao ny asany, amin’ny fo, amin’ny fitiavana tahaka ny ho an’ny Tompo, ary amin’ny fahatsoram-po ireo mpanompo ireo, dia mampanantena valisoa ho lova ho azy ireo ny Tompo: (and 24) ary lova avy any an-danitra no lehibe indrindra amin’izany valisoa izany.
  • Maneho izany fa mankasitraka ny marina tokoa ny Tompo dia ireo izay manao ny asany amin’ny fo, amin’ny fitiavana amin’ny fahatsoram-po izany, ataony tonga mpandova izy ireny.

FAMPIHARANA:

  • Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, tsarovy fa mankasitraka ny marina ny Tompo dia ireo manao asa marina izany.
  • Mety ho mpanompo ara-nofo ianao,mety tsy mpanompo ara-nofo ihany saingy na inona na inona toerana misy anao dia ataovy amin’ny fo, ataovy amin’ny fitiavana, ataovy amin’ny fahatsoram-po ary ataovy tahaka ny ho an’ny Tompo, izany hoe ataovy marina ny asanao fa raha manao izany ianao dia handray vali-pitia avy amin’ny Tompo.

Faharoa, asongadin’I Paoly Apostoly mazava eto ihany koa fa

  • MANAFAY NY TSY MARINA IHANY KOA NY TOMPO.
  • Hoy I Paoly Apostoly eo amin’ny and 25 eo “Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’olona.”
  • Araka izany dia mananatra ireo mpampiasa I Paoly ny amin’izay tokony handehanan’izy ireo amin’ny fahamarinana mandrakariva ka tsy hanararaotra ny mpanompony.
  • Mampahafantatra I Paoly fa I Kristy, Ilay Tompo Marina, dia hamaly ara-drariny izay atao.
  • Tsy ireo mpampiasa ihany anefa no iantefan’ny fananarana izay ataon’I Paoly eto amin’ity and 25 ity, satria ny andianteny hoe “izay manao ny tsy marina” eto dia azo hanondroana sojakin’olona maro dia ireto avy izany:
    • Ireo izay manao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra.
    • Ireo izay tsy mahitsy amin’ny zavatra ataony sy ireo ireo izay tsy manara-dalàna
    • Ireo izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipiky ny fiaraha-monina
    • Ireo izay manao zavatra tsy tokony ho izy sy ireo izay tsy mahatoky
  • Izany hoe ireo izay tsy marina eo amin’ny fifandraisana, ireo izay tsy marina eo amin’ny fiainana andavanandro, ary ireo izay tsy marina eo amin’ny asa sy eo amin’ny fitondrantena dia iharan’ny famaizana Andriamanitra avokoa, rehefa avy ialan’Andriamanitra nenina.
  • Noho izany, fampitandremana, famaizana , kapoka, sazy ary fanamelohana no miandry ireo izay miaina araka ny tsy fahamarinana satria manafay ny tsy marina ny Tompo.

FAMPIHARANA

  • Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, anisan’izay antony mampiroborobo betsaka ny fihanaky ny tsimokaretina VIH SIDA ankehitriny ny fitomboan’ny olona izay manao ny tsy marina ka manao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra toy ny fampirafesana, ny fijangajangana amin’ny endriny maro samihafa.
  • Azo sorohana tsara anefa izany fihanaky ny tsimokaretina izany raha ny ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-pianakaviana no mifanolo-tanana amin’izany ady amin’ny tsimokaretina izany.
  • Amin’izao Alahady natokana ho Alahadin’ny KPMS izao, andeha isika hanao fanamby ka hiezaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina mba handeha araka ny Sitrapon’Andriamanitra, hanara-dalàna, hitoetra ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra fa ny fanaovantsika izany dia fandraisana anjara lehibe amin’ny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH SIDA izay loza mitatao ho an’ny firenentsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen.

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV