SP 32 / TRANOVATO VAOVAO .
FJKM AMPITAKIHOSY FIHAVAOZANA JEROSALEMA VAOVAO.
Nitsangana ny tranovato vaovao.
Nahatafatsangana tranovato vaovao ireo mpianakavin’ny finoana ao amin’ny FJKM Ampitakihosy any Mahanoro, ka ny Sabotsy 05 Novambra lasa teo no nitokanana azy.
« Indro havaoziko ny zavatra rehetra »( Apok. 21: 5)
Izany no teny faneva noraisina tamin’izany fotoan-dehibe izany. Vola mitentina Ariary 30 tapitrisa no nananganana azy ary roa taona no naharetan’ny asa.
Mirefy 15 m ny sakany ary 25 m kosa ny lavany, mitafo fanitso. Miorina eo amin’ny toerana avo izy ary lalovan’ny lalam-pirenena ao amin’ny Synodamparitany Kristy Famonjena Toamasina Atsimo ( KRIFATA), ho fitoriana amin’ny mponina sy ny mpandalo ny fijoroan’ny Fiangonana velona.
Ity fiangonana Ampitakihosy Fihavaozana Jerosalema Vaovao ity, dia fiangonana vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny FJKM Fiakarana Jerosalema Vaovao eny Ivato, izay nanao Tafika Masina ivelany tany Mahanoro roa taona lasa izay, ary nataony anisan’ny tsangambaton’ny faha- 150 taonany no sady fitoriana ny Filazantsara ihany koa.
Nitarika ny fitokanana ny solontena avy amin’ny:
Ny Foibe FJKM, SP KRIFATA ny Prezidà Synodaly Rakotondraibe Solofomalala, Mpitandrina
Ny FJKM Marosondry: RASOAVELO Herimamonjy, Mpitandrina
Ny FJKM Fiakarana Jerosalema vaovao : RAMAROKOTO Honorine
Ny Filohan’ny komitin’ny jobily : RAVELOJAONA Ratsimbazafy
Ny Prezidà ny AFF : RAKOTONAIVO Emile
ary ny Filohan’ny mpino eny an toerana, RAJAONARIVELO Heriniaina.
Marihina, fa Ampitakihosy dia tanàna manan-karena amin’ny vokatra ara-pambolena toy ny jirofo, kanelina, dipoavatra, laodisia ary ny voasary.