Hafatry ny FILOHA (Nov 2016)

 

INONA ARY NO HATAO HANATANTERAHANA ITY IRAKA ITY HOE :

“VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! ” ?

Ireto avy no tari-dalana ho antsika mba hanatanterahana izany:

1-Manomboka mivavaka

Samia manontany ny Tompo, mangataka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ny amin’izay tiany hatao ka hirosoana hatao, fa ny Fanahy Masina dia “ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana “ (Isa.11: 2). Amin’ny toerana sy ny andraikitra misy antsika avy: samia mivavaka, na mivavaka mitokana na miaraka mivavaka. Na amin’ny fotoana fivoriana samihafa atao, na ao anatin’ny fanompoam-pivavahana iraisana, na Alahady na andavanandro: samia mivavaka! Mivavaha mba hitarihany ANAO amin’izay tiany hataoNAO manokana; mba hitarihany ANTSIKA ny amin’izay tiany hataoNTSIKA miaraka!

2-Mipetraha aloha mihevitra:

Torohevitra tena Hendry nomen’i Jesoa izany. Handeha hiantafika masika isika, ka hoy Izy: ” Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara …?”(Lio.14:31). Zava-dehibe no hatao amin’io hoe: “mipetraka aloha haka hevitra” io : mandrafitra ny tetikasa mihevitra sy misaina tsara ny valin’ireo fanontaniana lehibe rehetra toy ny hoe:

-Inona no hatao?

-Inona no tanjona hotratrarina?

-Iza no hanao inona?

-Aiza izany no hatao?

-Rahoviana no hanaovana azy?

-Amin’ny fomba ahoana no hanaovana azy?

-Inona avy no fitaovana ilaina amin’izany?

-Ahoana ny tetibola amin’izany? …sns

3-Mirosoa amin’ny fiomanana

Tsy ajanona ho tetikasa ao anaty taratasy fotsiny izay nodinihina fa irosoana havadika ho asa. Atao ny fanomanana rehetra. Iray amin’ny lehibe indrindra amin’ireny ny FANOFANANA ny Kristiana hanao ny asa.

Amin’ny fotoana ivoahan’ity Hafatra ity dia efa tena tokony ho ao anatin’izany fiomanana izany avokoa ny fiangonana FJKM rehetra. Ny kendrena mantsy dia izao: ho vonona hanomboka sy hirotsaka an-tsehatra avokoa ny fiangonana rehetra amin’ny Febroary 2017.

Marina fa eo ny fiatrehana ny fankalazana ny Tompo noho ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao. Tsy tokony ho sakana anefa izany.

Antso manokana

Mety  hanampy antsika amin’ny fiaraha-mientana tokoa raha misy manisy Feony ity tonon-kira hanjary Hira Fanentanana:

 

Vontosy Filazantsara

Ny Nosy Madagasikara!

Ka isika rehetra izao

No hiara-mientana, andao!

 

Vontosy Filazantara

Ny Nosy Madagasikara!

Aza menatra, sahia!

Mitsangana, mitoria!

 

Vontosy Filazantsara

Ny Nosy Madagasikara!

Ity Tanindrazantsika ity

Hanjakan’i Kristy!

 

Azo alefa anaty valopy ao amin’ny Sekretarian’ny Filohan’ny FJKM ny hira vita solfa sy cd amin’ny Zoma 02 Desambra 2016 farafahatarany. Asio anarana, fiangonana, telefaonina.

Misaotra mialoha amin’ny Anaran’ny Tompo ho anareo manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronan-kira!

Mahereza àry!

“VONTOSY FILAZANTSARA

 NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV