Alahadin’ny FITANTANANA FANANANA 2016 (F I F A)

 

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY 13 NOVAMBRA 2016

Lohahevitra : “Ankasitrahan’ny Tompo ny asan’ny mino”

 

Fiarahabana Apostolika

Sal : 106:1-4

Hira :171

Vavaka fiderana

Sitrapon’Andriamanitra : I Pet 2:17-19 “Sambatra ny mahitsy lalana …. “ Sal 32.(1-2)

Hira :512:1

Fifonana:

Hira 409.

Teny famelan-keloka :

II Kor 6:2 ,Jer 31:3-4

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony ” Sal 119:(1-2).

Hira :FF 34

Fanekempinoana laharana faha.2

Raharaham-piangonana

Rakitra:Antoko Mpihira na Sampana. Na Hira 306- Hira  307- Hira  305.

Fanolorana ny rakitra – Hira :275 :1

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :

  • Hira :760:1
  • Vavaka :
  • 5mn ny Sekoly Alahady: I Tim 5:1-8.
  • Hira : 452:1
  • Vakiteny : Isa 58:6-12 Lio 14:12-14 I Tim 5:1-8

Hira :190:1

Toriteny :

Vavaka fangatahana + Rainay  izay any an-danitra …..

Asa Vavolombelona

Hira 332:1

Tsodrano:Lio 2:14.

Hira 428:1-4

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

 

HAFATRA AVY AMIN’NY KOMITY FIFA

 

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny Tompo.

Araka ny fanapahan-kevitry ny ambaratonga, dia ny Alahady faha-2 amin’ny volana Novambra no Alahady natokana hitondrana am-bavaka,hanohanana ny asa ato amin’ny Fitantanana Fananana na FIFA Foibe FJKM.

Koa entanina isika isam-pitandremana sy Synodamparitany mba hanangana Vaomieran’ny Fananana ary hikarakara ny fanoratana ara-panjakana ny tany,ho amin’ny anaran’ny FJKM, araka ny Fotodalana sy Fitsipiky ny FJKM ( Fotodalana , and 53,Pejy 29) ary ny lalam-panjakana.

Ny dinika na fanazavana ilaintsika amin’izany dia afaka manatona ao amin’ny Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely, rihana faha 6, varavarana 601.

Misaotra sahady amin’ny fanohanana izay hatolotrareo , izany dia haterina mivantana ao amin’ny “Caisse”-ny Foibe FJKM na arotsaka ao amin’ny kaonty:

FJKM /FFF BOA Antaninarenina

00009 05 020 1 100111 011 3 48

na atambatratreo any amin’ny Synodamparitany izay handrotsaka izany aty amin’ny Foibe araka io.

Manao veloma finaritra ombam-pitahian’ny Tompo ary misaotra sahady ny amin’izay hataonareo.

“Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ny tany.”( Isa 58:12).

Amin’ny anaran’ny Komity FIFA

Ny FILOHA

RAKOTONDRAMBONINA Solofoniaina

Ny Tale

RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja , Mpitandrina

tale.fifa@fjkm.mg na 033 37 991 38

 

TORITENY

Lohahevitra:”Ankasitrahan’ny Tompo ny asan’ny mino”

Isa 58:6-12 / Lio 14:12-14 / I Tim 5:1-8

“Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ny tany.”( Isa 58:12).

Ny mahazatra ny olona na ny fiarahamonina rehefa misy zavatra simba na rava na tsy mandeha, na eo amin’ny fiarahamonina izany na eo amin’ny Fiangonana, na eo amin’ny sehatry ny Firenena, dia ny mahamaika dia ny hoe “Fa iza no nanimba an’io?”, ka anjarany no manamboatra izay nosimbainy. Izany no toe-tsain’ny olona, fa raha ny ankasitrahan’ny Tompo kosa , dia ny hoe isika mino no:

Fizarana voalohany: Hanangana ny efa rava ela

“Ny tanànan’i Jerosalema  izay efa rava ela nohon’ny fahotan’ny mponina tao no tiana hampahatsiahivina eto, ary ireo olona izay mamaha ny fatoran’ny ratsy fanahy, sy ireo ampahorina, izany hoe tsy ny rehetra , fa ireo izay nankasitrahan’ny Tompo ny asany no notsongaina  mba  hiverina avy any Babylona, ka hanangana indray ny efa rava , ary dia tanteraka moa izany ,ny taona 567 talohan’I Jesoa Kristy. Ka tsy ny tanàna rava ihany, fa ireo olona ravan’ny hanoanana koa dia mila hatsangana indray.

Manamafy izany rahateo ny tenin’ny Tompo manao hoe : “ Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.

.Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina. ( Lio 14 :12-14) ,izany hoe ireo nataon’ny fiarahamonina anjorombala no narenina,na dia mety ny hafa aza no nahatonga an’ireo ho malahelo

Ry Havana, betsaka no simba sy natao anjorombala ny mpiangona na ny fananan’ny FJKM , isika tsirairay avy isaky ny Sampana na Fiangonana reniny, na Synodamparitany no andrasan’ny Tompo hanangana ireny, dia ho tsara sy mamirapiratra indray, dia ankasitrahana ny asanao.

Fa tsy ny hanangana ny efa rava ela ihany no ankasitrahan’ny Tompo, fa ankasitrahan’ny Tompo ihany koa ny:

Fizarana faharoa : Mpamelon-dalana honenana amin’ny tany

Nisy fotoana , tamin’ny faratampon’ny faharavan’i Jerosalema, dia na dia ny lalana sasany tao an-tanàna aza tsy afaka naleha intsony, araka izay vosoratra manao hoe: “Dia nankany amin’ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ilay biby nitaingenako naleha akory.” (Neh 2:14), ka tsy maintsy novelomina indray nahafahana nifamezivezy.Ka izany koa no anjarantsika Kristiana dia ny mamelona ilay tena lalana ao ampon’ny olona dia i Kristy izany.

Ary izany fameloman-dalana mba honenana izany dia tsy atomboka lavitra akory fa manomboka ao an-tranonao :”Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza”. (I Tim 5:8).

Ry Havana, velona ve ny lalana mankany amin’ny Fiangonanao? Velona sy azo onenana ve ny fananan’ny FJKM  any amin’izay misy anao sa tsy mahatamana sy mampandositra? Ary indrindra amboary ny fonao sy ny an’ny hafa mba ho tena lalan’i Jehovah sy trano fonenan’i Kristy sy ny Fanahy Masina.

 FAMARANANA

Tianao hankasitrahan’nyTompo ary ve ny asanao? Atsangano ny efa rava ela, ary amboary ny lalana, “dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah”. (Hag 1:8 b).

R.Ndrianja, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV