« CINQ ZERO » AMPIASAIN’NY FIANGONANA

Fahaiza-mitantana:

Injeniera japoney iray no namorona ity tetika « CINQ ZERO » ity, izay nampifandraisana tamin’ny teoria « Juste à temps » na vita ara-potoana. Asa vita tsara amin’ny fotoanany no tanjona tamin’izao, araka izay katsahin’ny mpanjifa rahateo. Nampihariny tao amin’ny orinasa Toyota ity « CINQ ZERO » ity, ary lasa anarana raikitra mihitsy ny hoe « Toyotisme » izany.

Ny tanjona tamin’izany, dia ny (i) hampidinana ny fandaniana, (ii) hanafoanana ny gaboraraka, (iii) hampiakarana ny kalitaon’ny vokatra, ary (iv) hisorohana ny stocks be loatra. Ny mpiasa rehetra no miara-mihetsika manatratra izany.

1.ZERO DEFAUT

Isaka ny dingana lalovana, dia tsy hisy mihitsy tsininy amin’ny asa hatao. Misy telo hatrany ny dingana, dia ny « pré-production » izay karazana fiandohan’ny famokarana, ka ny akora sy ny milina miasa dia tsy ahitana tsininy eto.Ny dingana faharoa, dia « production » na ny famokarana. Vokatra tena tsara no hatolotra ny mpanjifa, izay hampiakatra ny vola miditra, ary hitazonana ny fitiavan’ny mpanjifa rahateo. Tsarovy fa, ny mpanjifa tsy afapo, dia tsy miverina amin’ny orinasa tsy nahazoany fahafahampo intsony, ary ny 90% amin’izy ireo dia tsy hiteny velively izany. Mitaky fanaraha-maso matotra izany fahazoana vokatra tena tsara izany.

Ny Soratra Masina dia mahafantatra tsara izany hoe “malaza, tsy misy pentimpentina na fiketronana” (Efe 5: 27). Mipetraka ho “label” na endrika amantaran’ny mpanjifa ny orinasa iray izany, ka tsy maintsy tazonina hatrany.

2.ZERO PAPIER

Ireo taratasy tsy maintsy amboarina no ambara eto. Ny Rafitra tsotra sy maivana dia tsy mila taratasy be dia be vao mahavita zavatra. Ny Solosaina dia mahasolo ireo taratasy marobe ireo, ary tsy ho very na tsy ampy izany rehefa ilaina. Mora kokoa ny mitahiry azy, ary azo jerena amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra ireo. Mampihena koa ny vola hatokana hividianana taratasy izany, mbamin’ny saram-pandefasana azy. Anisan’ny fiarovana ny Tontolo Iainana rahateo izany, satria dia aman-taonina maro ny hazo “pins” no voaaro tsy voakapa amin’izany.

Be loatra ankehitriny ny taratasim-piangonana, indrindra hita izany rehefa misy famindran-draharaha. Mavesatra loatra ny fitantanan-draharaha amin’ny Fiangonana sasany. Mandany vola ny fividianana taratasim-piangonana. Azo atao tsara anefa ny tsy manasaro-javatra ara-bola sy fitahirizana azy ireny, amin’ny fahaizana mifehy ny mety ho taratasy ilaina. Vola azo ampiasaina amin-javatra hafa no tombon’izany.

3.ZERO STOCK

Tsy vokatra na piesy lany andro no atolotra ny mpanjifa, fa vaovao hatrany, toy ny mofo dipaina mikarepoka izay vidian’ny mpanjifa vao maraina. Izany no lazaina hoe “bon produit au bon moment”: eny an-tanan’ny mpanjifa amin’ny fotoana ilany azy ny vokatra tsara mahafapo azy.Ny « Stock » mantsy dia midika vola mitohana, vokatra mibahana toerana, tsy miteraka tombony, ary mampiakatra ny sarany aza (saran’ny trano fanatobiana, karaman’ny mpiambina, sns).

Ny famokarana be dia be dia efa lany andro, fa izay ilain’ny mpanjifa ary tokony ho laniny ihany no hovokarina. Raha omby iray ihany dia ampy hamidy ao an-tanàna, nahoana no hamono omby roa? Mitety tokantrano fotsiny mialoha ny hamonoana omby, dia fantatra izay kilaon’ny hena tadiaviny. Betsaka ihany ny fivoriam-piangonana no lasa fandaniam-poana, satria tsy mamantatra mialoha izay ho isan’ny mpivory, ka zary verivery fotsiny ny volam-piangonana.

4.ZERO DELAI

Ny zavatra tadiavin’ny mpanjifa voalohany indrindra, dia ny vokatra eny an-tanany amin’ny fotoana ilany azy. Ny akanjo mariazy hanaovana ny Asabotsy dia ilainy Zoma. Mety ho vita tsara tarehy tokoa izany ny Alahady, saingy tsy ilainy intsony amin’izay fotoana izay. Tsy mila fotoana very ny mpanjifa rehetra: izay no laharam-pahamehana indrindra aminy, vao manaraka ny hatsaran’ny vokatra.

Misy tsangambato ataon’ny Fiangonana, no tsy vita ara-potoana, satria natao maivana izany fe-potoana izany. Mety novonjivonjena ihany koa ny famitana izany, ka tsy mahafapo mihitsy, na ny mpivavaka na ny nitokana azy.

5.ZERO PANNE

Mitaky fananana politika fikojakojana ara-potoana izany fitaovana tsy mikatso izany, ka hahazoana vokatra ara-potoana sy tsara ihany koa. Ny fahasimban’ny fitaovana mantsy dia midika fijanonan’ny asa, fahaverezan’ny fotoana tokony hamokarana, tsy fidiran’ny vola, ary tonga hatramin’ny famoizana ny mpanjifa matoky. Tafakatra hatrany amin’ny 25% ny tombom-barotry ny Toyota noho ny fametrahany politika fikojakojana matotra;

Zavatra fahita amin’ny Fiangonana maro ny tsy mikojakoja mihitsy ny fitaovana amam-pananany. Ny hividy vaovao hatrany no mahamaika azy. Vola tokony hampiasaina amin-javatra hafa anefa izany, ary ilay fitaovana tokony nokojakojaina dia tena mahavita hatrany izay ilana azy raha nanaovana fikojakojana.

Ireo no CINQ ZERO, tetika japoney nampandroso ny orinasa Toyota. Ny faniriana dia tsy ho tanteraka amintsika mpino ny tenin’i Jesoa : “ny zanak’izao tontolo izao dia MANAN-TSAINA KOKOA amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava” (Lio 16:8)

Andriamampianina Zaka, Mpitandrina

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV