2-INONA MARINA MOA NO TANJONTSIKA AMIN’ITY IRAKA ITY HOE: “VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

Mazava ny tiantsika hotratrarina raha lazaina hoe:

“VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA”

Madagasikara ho tratran’ny Filazantsaran’I Kristy hatrany anatiny ! Aiza izany “anatiny” izany?

A-ANY “ANATIN’NY OLONA”:

a-ho an’ny olona efa tafiditra ao amin’ny fiangonana rahateo, dia mba tsy ho ravoravo atentina ety ivelany fotsiny ny maha kristiana, fa mba ho babon’i Kristy tokoa izy ireo ka ho i Kristy no ho anton’ny ahavelomany (Fil. 1.21) mba tsy hanana anarana ho velona, kanjo maty ihany (Apok.3.1). Ezaka lehibe tsy maintsy hataontsika izany. Tokony hiverenantsika hokarohina indray ny fomba samihafa hitaomana ny olona miditra am-piangonana hahazo antoka marina ny famonjena. Fa tena tsy ampy mihitsy ny amerenany na anaovany tsianjery ny fanekena rehefa raisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hoe: “Manaiky marina sy mino aho fa i Jesoa Tompoko sy Mpamonjy ahy,  kanefa volana vitsy aorian’ny nanokanana azy, na ny varavaram-piangonana aza tsy hitany intsony! Tsy olona hameno trano fiangonana no ilaintsika, fa olona hameno ny Lanitra! Tokony hataontsika ny fomba rehetra hahatonga ny olona hahalala ny valin’ny fanontaniana hoe: “Efa teraka indray ve ianao? (Jao.3.3), “Efa nandray an’ i Jesoa ve ianao?” (Jao.1.12) “Efa olom-baovao ao amin’i Kristy ve ianao?” (2 Kor.5.17).

b-ho an’ny olona efa nihemotra efa tao amin’ny fiangonana ihany fa niala, taomina izy ireo hiverina amin’ny fitiavana voalohany! “Ondry very” tsy maintsy tadiavina ireny, hoy i Jesoa (Lio. 15.4-5). Antony maro no nahatonga azy ireny hiala ny Fiangonana. Tsy voatery ho Fiangonana no diso, na ny Mpitondra Fiangonana, fa izao anefa “ondry very” ireny ka tsy maintsy tadiavina! Ahoana no hanaovana izany? Tsy maintsy karohintsika izany! Tsy mahafinaritra mandrakariva ny mitady ny very. Toy ny lehilahy  iray very ondry  ka voatery misahirana any anaty kirihitr’ala, dia toa izany koa isika tsy maintsy misahirana!

d-ho an’ny olona efa teraka indray, tonga olom-baovao ao amin’i Kristy tezaina izy ireo hiorina tsara, tsy hiova (I Kor.1358). Raha tiantsika hovontosana ny Filazantsaran’i Kristy i Madagasikara dia tsy maintsy hanao ezaka lehibe koa isika hitahiry ny vokatra! Ireo efa mpino marina tokoa dia haharitra amin’izany. Tsy zava-mora koa manko ny tsy hihemotra eo anoloan’ny rendrarendra misarika, eo anoloan’ny naman-dratsy mitaona, eo anoloan’ny asan’i Satana mambabo amin’ny fomba maro samihafa. Fa raha i Jesoa aza tsy nahamenatra ny devoly ny naka fanahy azy (Mat.4. 1-11), mainka fa isika izay notorontoronina tamin’ny ota (Sal. 51.5). Ary raha ireo mpianatrra 12 lahy nifampihinana ny manta sy ny masaka, ara-bakiteny, tamin’i Jesoa tao anatin’ny 3 taona eo ho eo aza, mbola namadika, nandà, nitsoaka Azy, mainka fa isika izay tsy nahita maso ankehitriny?

B-ANY “ANATIN’NY FIARAHA-MONINA”

a-Hataontsika Fiangonana ho vaindohan-draharaha mihitsy ny hivoaka, ara-bakiteny ny rindrina efatry ny trano fiangonana ka hitetezana ny isam-baravarana mba hitoriana amin’ny mpiara-monina amin-tsika ny filazantsaran’i JESOA KRISTY TOMPONTSIKA.  Io fitetezan-trano io dia fomba fiasa mangina, nefa mahery vaika, raha hay tsara ny manao azy. Izany hoe: olona resy lahatra marina no mamangy. Olona sariaka sy mahasarika no mamangy. Olona tsara laza amin’ny olona vangiana no mamangy. Olona tsara omana no mamangy. Jereo fa misy olona tsy mba hitantsika miantsoantso eny an-dalam-be mihitsy, tsy manao fivoriambe mahafeno an’Antsonjombe, ohatra, nefa mahatsangana “trano fivavahana” etsy sy eroa. Tsy maintsy ambara fa “mahay mamangy” izy ireo ka mahataona olona! Misy fieritreretana lalina izany!

b-Hataontsika Fiangonana ho vaindohan-draharaha mihitsy ny hivoaka, ara-bakiteny, ny rindrina efatry ny trano fiangonana ka hanatrarana ny toerana rehetra. Eny, ny toerana rehetra no hataonsika henika: sekoly, hopitaly, fonja, tokotanibe, tsena, kianja fanatanjahantena, efitra filanonana, eny an-dàlana, eny an-tsaha, any anaty fitateram-bahoaka… Aza hadinoina fa izany Rabary Mpitandrina tao Avaratr’Andohalo Antananarivo izany no voalazan’ny tantara fa nitoriteny tao an-tsenan’Anjoma Analakely voalohany. Fa ankoatra ireo voatanisa ireo, tsy maintsy hojerentsika ireo toerana faran’izay lavitra tsy mbola tongan’ny Filazantsara. Tsy tokony hisy tanàna, na iray aza, tsy ho tonga ny Mpiantafika Masina.

d-Hataontsika Fiangonana ho vaindohan-draharaha mihitsy ny hivoaka, ara-bakiteny ny rindrina efatry ny trano fiangonana ka hanatrarantsika ny sokajin’olona rehetra: lehibe, tanora , ankizy, mpivarotra, mpiasa; sinoa, karana … ny mahantra, ny mpanan-karena… Ny “olombelona rehetra” no anirahan’i Jesoa antsika (Mar.16.15) ka tsy maintsy karohintsika ny fomba hankatoavana izany.

Asa midadasika toa izany no miandry antsika. Koa mahereza! Hoy i JESOA, Ilay Tompon’ny  fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. “Mandehana ianareo! Ataovy mpianatra ny firenena rehetra! “ ary hoy ny fanomezan-toky tsy mamitaka omeny “Indro Izaho momba anareo mandrakariva (miara-dalana aminareo isan’andro) ambarapahatongan’ny fahatapetran’izao tontolo izao” (Mat. 28. 18-20). Rehefa mandeha isika, miaraka amintsika ny Tompo! Ny fomban’ny Tompo feno fahefana dia hoan’ny Fiangonana mandeha, fa tsy ho an’ny Fiangonana variana misonenika am-pitoerana ao am-piangonana akory!

Mahereza ary!

“VONTOSY NY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA”

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV