SITE WEB FOIBE FJKM / Endriny vaovao

Miseho amin’ny endrika vaovao

Ny Alatsinainy 10 Oktobra 2016  tamin’ny 9 ora sy 45 mn maraina lasa teo no nivoaka ny endrika vaovaon’ny tranokalam-pifandraisana Foibe FJKM na ny Site web FJKM.

Ny adiresy hitsidihanao izany  dia ny <www.fjkm.mg>

Ny seho samihafa mampiavaka azy amin’ny teo aloha, dia ahitantsika sary  izay maneho ireo vanim-potoana manamarika ny fiainam-piangonana. Raha manokatra io tranokala io, amin’izao fiovana endriny  voalohany izao, dia ny sarin’ireo Birao Mpiandraikitra Foibe ( BMF) no ho hita ao sy ny an’ireo mpivory  tany amin’ny Synoda Lehibe faha-XVIII natao tany Antsirabe.Rentsika avy hatrany ihany koa ny Radio Fahazavana FM 88.6  raha vantany vao manokatra azy.

Manomboka izao ihany koa, dia hisy ny Hafatry ny Filohan’ny FJKM, Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi  Mpitandrina,  hoharahintsika isam-bolana .Ankoatra ireo  “rubriques” samihafa efa mahazatra ny mpitsidika  toy ny: Vaovao farany, Vaovaon’ ny Sampana sy Sampan’Asa ary Asa, ny Fampianarana sy fitaizana, ny Mofonaina, sns, eo amin’ny pejy voalohany amin’ity Tranokalan’ny Foibe FJKM ity, dia azonao henoina ihany koa ny “ FJKM FAHAZAVANA”,

Zava-baovao ihany koa  atolotra ny mpitsidika aoriana kely ny “Konkordansa“ – n’ny Baiboly.Ny Tompon’andraikitra misahana ny fampandehanana  izany Tranokala izany, dia Ramatoa SAHONDRAMALALA Vololona Rabelison.Marihina, fa mbola hitohy hatrany ny fanatsarana ity site web ny Foibe FJKM ity.

Koa manentana antsika vahoaka kristiana FJKM rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny any am-pitandranomasina mba hitsidika izany.  Asaina am-pitiavana àry isika mpianakavin’ny finoana mba hamaky ny vaovao ao sy handefa ihany koa ny avy any aminareo, mba ho fantatry ny hafa ka dia ho vonton’ny Filazantsara i Madagasikara sy izao tontolo izao.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV