“VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

IZA AVY MOA NO IRAHINA HOE:

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!”?

Ny valiny dia ISIKA REHETRA ! Iza avy izany?

*Ny Tomponandraikitra rehetra ato amin’ny FJKM. Mba tsy hisy ny holazaina hoe: “nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony” (Neh. 3.5). Kanefa tsy ireo tomponandraikitra ireo ihany fa ny Kristiana FJKM isam-batan’olona mihitsy koa:  lehilahy na vehivavy, na antitra na tanora na ankizy, araka ny voasoratra hoe” Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy (I Kor.12: 27)

*ny Sampana rehetra ato amin’ny FJKM: tsy ireo sampana valo (8) faritan’ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM ihany, fa izay sampana sy fikambanana rehetra miorina ato anatin’ny FJKM, ary ny sampanasa sy asa rehetra, araka ny nambaran’i Jesoa hoe: Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatra ianareo( Jao.15: 8).

*Ny Ambaratongan-drafitra rehetra: Foibe, Synodamparitany, Fitandremana, miaraka amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ao aminy avy.

  *Ho an’ny Foibe:

-Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

-Ny Mpiandraikitra Foibe

-Ny Mpanatanteraka tarihin’ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonian’ny Departemanta 3,  miaraka amin’ireo Tonia sy Tale rehetra

– Ireo mpiasan’ny Foibe FJKM rehetra!

  *Ho an’ny Synodamparitany : ny Birao, ny Mpihevidraharaha ary ny Komity Lehibe

*Ho an’ny Fitandremana: ny birao, ny Mpihevidraharaha ary ny Fivorian’ny   Mpandray.

Ireo rehetra ireo no entanina hahatanteraka izay nolazain’i Paoly hoe: “ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana (Efes.4: 16).

*Isika Kristiana FJKM rehetra eto Madagasikara, nefa isika Kristiana FJKM rehetra any am-pitandranomasina koa, araka ny teny fikasana nataon’i Jesoa hoe: Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany(Asa 1.8).

Raha ny marina, dia tsy tokony hisy Kristiana mihevitra ny tenany fa FJKM hihevitra tena ho tsy manana anjara amin’ny fanatanterahana ity iraka lehibe apetraky ny Tompo amintsika ity. Kristiana FJKM ve ianao ? Ambara aminao, amin’ny Anaran’i JESOA , izao iraka izao:

 

                                                        “VONTOSY FILAZANTSARA

                                                        NY NOSY MADAGASIKARA!”

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV