Ireo Sampana sy ny Tanjona kendreny avy

Sampana

FOTOTRA IJOROAN’NY SAMPANA

Ho sehatra fitaizana ireo vahoakan’Andriamanitra isan-tsokajiny resy lahatra sy manaiky fa Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy araka sy Soratra Masina. Noho izany, ny sampana dia tsy maintsy hajoro ao amin’ny isam-piangonana mba hanolokoloana ny fitiavana sy ny fiombonan’ny mpino sady fijoroana ho vavolombelona amin’ny teny sy ny asa.Sekoly Alahady- Fahaizana Baiboly- Fivelomana amin’ny Tenin’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Fitsipika Fototra hoe « Ny Sekoly Alahady dia mampianatra ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa »Mpanazava sy Tily- Fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ho tia an’Andriamanitra sy hahalala Azy ao amin’ny Jesoa Kristy- Fahavononana hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona aminy ao anatin’ny fifehezan-tena sy fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fikambanana- Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Skotisma mba hanompo an’Andriamanitra, hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana ary hanana fifehezan-tena ho vonona amin’ny asa tsara rehetraLehilahy KristianaHitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra hahatonga azy ho lehilahy kristiana mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, mba ho « Lehilahy mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy » Efe.13:4Tanora Kristiana- Fitoriana ny Filazantsara sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy- Tanora hahay hitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra- Manabe sy mikolokolo ny tanora amin’ny lafim-piainany rehetraFivondronana LaikaHampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba :- Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana- Hiara-hiasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa ananany- Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ny asan’ny Fiangonana- Handroso amin’ny ekiomenisma sy ny firaisam-pinoana eo ambany fitarihan’ny Foibe FJKM- Hiady amin’ny fahalovana sy ny tsy fahamarinanaDorkasy- Mitory sy manambara sy Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Teny sy ny Asa- Mitaiza sy manabe sy ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra : Tena, Saina, FanahyVokovoko MangaAmin’ny ankapobeny : Miady amin’ny fihanaky ny zava-pisotro mahamamo sy ny maha-domelina rehetraAmin’ny antsipiriany : Mifady tanteraka ny zava-pisotro mahamamo (misy alikaola) sy ny zava-mahadomelina rehetraMampitsahatra sy manafoana ny fisotroana, ny fifohana ary ny fivarotana ireny zava-doza irenyFifohazanaMitory ny Filazantsara,Mamoaka demonia,Mametra-tanana,Manasitrana ny Fiangonana,Mitady ny fampiraisana,Miaina ny fifankatiavana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV