“INVESTITURE” SA “INSTALLATION” ?

fandalinam-pinoana

FILOHAN’NY FJKM SY BIRAO FOIBE

NAPETRAKA TAMIN’NY TOERANY

 

Voalazan’ny Litorjia FJKM ny fomba fametrahana amin’ny toerany ny tompon’andraikitra voafidy /voatendry ao amin’ny sahan’ny FJKM. Ny any amin’ny Fiangonana, dia misy ny fametrahana ny Mpitandrina izay voatendry hiasa. Toy izany koa ny Prezida Synodaly ao amin’ny Synodam-paritany nanendrena azy. Misy koa ny fametrahana ireo birao sy Komity ary Vaomiera maharitra, na any amin’ny Fiangonana na Synodam-paritany, na Foibe.

Nisantatra ny fametrahana azy kosa ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, ny Alahady 25 Septambra 2016 tolakandro, teo amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Samy manana ny voambolana iantsoana azy ny Fiangonana katolika sy protestanta, na dia toa misy itoviany aza ireo fametrahana amin’ny toerany ny tompon’andraikitra ireo. Fahizany rahateo, dia didim-panjakana frantsay mihitsy ny tsy hampitoviana ny anarana sy teny ampiasain’ireo Fiangonana roa ireo tany Frantsa, faha “Edit de Nantes”. Ohatra, Mompera / Mpitandrina, Eglizy / Fiangonana, “Ordination” / “Consécration”, “Investiture”/ “Installation”. “ INVESTITURE ” KATOLIKA Ny Fiangonana katolika dia mampiasa ny teny « investiture » rehefa mametraka ny Eveka amin’ny toerany. Araka ny fombany, dia ny Papa no mifidy amin-kalalahana izay tiany hatao Eveka. Mialoha izany, dia misy fanadihadiana lalina momba ireo olona iriany hanao izany, amin’ny sehatra maro. Afaka manda izany faniriana hanendry azy izany ny olona hatao Eveka. Ho an’ny any Frantsa manokana, dia ifampiresahan’ny EKAR sy ny Governemanta frantsay ny fanendrena izay ho Eveka any. Izao no antony : ny Eveka dia mpiasam-panjakana frantsay, sady manana ny « statut » miaramila koa. Raha iverenana ny teny « investiture » dia misy matoanteny « vêtir » ao, izay azo adika hoe omena akanjo, ampiakanjoana. Manaraka eo koa ny peratra, ny tehina, ny satroka izay samy maneho ny maha Eveka azy.

“ INSTALLATION” PROTESTANTA

Ny Fiangonana Protestanta kosa dia mampiasa ny teny « installation », rehefa mametraka ny tompon’andraikitra amin’ny toerany, na Fiangonana, na Synodam-paritany, na Foibe. Hanomboka ofisialy amin’ny asa na andraikitra nifidianana na nanendrena azy io tompon’andraikitra io.

Misy manokatra adihevitra ihany anefa io teny « installation » io. Ny dikan’ny « installer » mantsy dia « mettre dans un stalle ». Ny “stalle” dia mety ho seza, trano, polipitra, ka toy ny milaza hoe tsy mihetsiketsika eo intsony fa nahazo toerana. Mety mahalaza ny maha matihanina amin’ny asa sy andraikiny azy koa anefa izany, ka tsy hisahanany asa na andraikitra hafa tsy an’ny Fiangonana mandritra ny fe-potoam-piasany.

Tsiahivina tsara anefa fa, ny Fiangonana reformé dia Fiangonana mihavao hatrany. Tsy afaka hitomoe-poana amin’izay fanao sy mahazatra izy amin’izany mihavao izany. Ny Soratra Masina rahateo dia mampiseho ireny asa fanompoana sy andraikitra ireny, toy ny hazakazaka na dia handeha lavitra. Ka rehefa vita izany dia « nahatanteraka ny fihazakazahana » (II Tim 4 :7).

DIKANY

Tsy dia endrika ivelany fotsiny ny fanolorana sy fametrahana amin’ny toerany ny Filohan’ny FJKM sy ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe miaraka aminy. Tena misy dikany lalina tokoa ho azy ireo sy ny Fiangonana nanolotra sy nametraka azy eo amin’ny toerany.

1.Tsy toerana norombahina, toy ny fahita any amin’izao tontolo izao ny aty amin’ny Fiangonana.

2.Tsy toerana fihinin’olona iray koa io, fa izay nofidian’ny Tompo sy ny Fiangonana no tolorany izany sy apetrany eo.

3.Tsy azo avela ho banga ny toerana. Ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM dia milaza mazava fa, tsy vita ny Synoda Lehibe raha tsy voafidy ny Filohan’ny FJKM.

4. Ny Tompo sy ny Fiangonana no manam-pahefana amin’ireo olona napetrany tamin’ny toerany. Azony hesorina, soloiny, tendreny ho amin’ny andraikitra sy toeran-kafa, izy ireo.

5.Misy zavatra andrasan’ny Tompo sy ny Fiangonana amn’ireo olona napetrany rehetra amin’ny toerany ireo, any amin’ny isan’ambaratongany. Mbola ampamoahana izy ireo.

6.Voafetra ny mpitondra. Voafetra ny fe-potoam-piasany, 4 taona araka ny mahazatra ao amin’ny FJKM. Tsy afaka hanampy taona ankoatran’izay ireo. Voafetra ihany koa ny fahefany : raha Filohan’ny FJKM, ohatra, dia tsy manana ny fahefan’ny Prezida Synodaly ny an’ny Mpitandrina mitondra fitandremana.

7. Fotoana anehoan’ny Fiangonana ny fanohanany ireo nofidiany na notendreny koa ny fametrahana azy amin’ny toerany, sady hitrotroany amim-bavaka hahavitany amim-pifaliana izany.

A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV