HAFATRA PASKA 2014

HAFATRA AVY AMIN’NY FILOHA

“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindrampony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ ny maty” (1 Petera 1, 3)

Velona ny Tompo ! Eny, nitsangana marina tamin’ ny maty tokoa Izy !

Nandia ny Herinandro Masina isika nanomboka tamin’ ny Alahadin’ ny Sampandrofia. Herinandro Masina izay nampita antsika ho amin’ ny Paska ka namelomana manokana tao anatin’ny mpino kristiana ny lalan-tsarotra sy fisedrana ary fitsapana nodiavin’i Jesoa Kristy Zanany, ka namoizany hatramin’ ny ainy aza ho famonjena izao tontolo izao.

Tsy maintsy mandalo lalan-tsarotra, eny ny fahafatesana aza vao misitraka sy miaina ny fandresena. Fandresena ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horesena no nosantarin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro. Koa arahabaina ianao nahatratra izany tsingerin-taonan’ ny Paska izany.

Miavaka ity Paska taona 2014 ity eran-tany satria samy mankalaza izany avokoa amin’ ny andro mitovy dia ny Alahady 20 Aprily na ny Fiangonana mitana ny fomba amam-panao Tandrefana na Tatsinanana. Toa mitarika antsika hieritreritra sy hiaina lalindalina kokoa ny fiombonana sy ny fampiraisana izany fifanandrifian’ ny datin’ ny Paska eo amin’ ny Fiangonana Tandrefana sy Tatsinanana izany. Paska mandrava ny efitry ny fisarahana. Paska mampirisika antsika hiaina ny fiombonana eo amintsika samy FJKM. Ny tsy hisian’ ny fahasamy hafana sy ny fisaratsarahana no sitraky ny Tompo eo amin’ ny Fiangonany. Hiombona fa tsy samy haka ho azy na samy hanana ny fomba amam-panaony ny Fiangonana, indrindra isika FJKM. Tena hanana ny fanahin’ ny fiombonana ao amin’ i Kristy fa tsy mody miombona toy ny Fitandremana sasany amin’ ny alalan’ ny fanatanterahana ny adidy vola anjarany kanefa ny fomba fanaony sy ny fandaminana iainany tsy araka izay mampiombona ato amin’ ny FJKM.

Paska manafaka amin’ ny hery sy vahohon’ ny fahafatesana mbola iainan’ny mpino maro no ankalazaintsika ; mpino izay voafatotry ny fomba amam-panao tsy araka ny Filazantsara. Mitaky finoana amin’ ny tsirairay ny fanekena fa nitsangana tamin’ ny maty tokoa i Kristy. Ny manana finoana marina miorina ao amin’Ilay nandresy ny herin’ ny fasana dia tonga zanaky ny mazava ka tsy afaka hampiaraka na hampivady ny fanarahana an’i Kristy amin’ ny finoana na hery hafa. Ny mivavaka amin’ Andriambodilova dia tsy misy hafa amin’ ny krsitiana mpikambana amin’ ny fikambanana miafina (société secrète) samihafa misy eto amin’ izao tontolo izao, izay miafina amin’ ny alalan’ ny fanaovana asa soa ho an’ ny fiaraha-monina.

Mampirisika antsika hiaina ny fahamarinana sy ny fiadanana ka hampanjaka izany eto amin’ izao tontolo izao ny Paska. Mbola mamela dindo eo amin’ny fiainantsika Malagasy mantsy ny asan’ ny zanaky ny aizina ka mahatonga ny krizy lavareny, krizy izay anjakan’ ny aizin’ ny fahafatesana noho ny tebiteby vokatry ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, noho ny fahantrana lalina eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Namonjy anao amin’ izany endrika sy aloky ny fahafatesana izany ny Tompo. Tian’ ny Tompo ho fiasam-pamonjena eo amin’ ny fiaraha-monina misy anao ianao. Nasehon’ Andriamanitra miharihary tamin’ ny Paska fa tsy ny fahafatesana no tompon’ ny teny farany manana ny fahamarinana.

Koa entanina isika kristiana FJKM mba ho sahy hijoro amin’ ny fahamarinana ka tsy hanaiky hovidina na hivarotra ny fahamarinana. Ny zanaky ny mazava mandova ny fandresen’ i Kristy dia mitondra fiadanana eo amin’ ny tontolo misy azy sy ao amin’ ny Fiangonana. Tanteraho ny fampanantenana fiadanana nataonao kristiana tomponandraikitra eo amin’ ny fiaraha-monina sy ny firenena ary ho feno ny fahamarinana ny fiainanao sy ny asanao. Fiasana nataon’ ny Tompo hamonjy amin’ ny fahafatesana misy eto amin’ izao tontolo izao ny kristiana tsirairay. Miaina ny fanantenana mandrakariva isika na dia diso fanantenana aza ianao, na dia sarotra aza ny làlana diavina satria “hiposaka … ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tànany” (Malakia 3,20).

Ho Paska fampiombonana sy fampiraisana, Paska fahamarinana sy fiadanana, Paska mandroaka ny aizina rehetra eo amin’ ny fiainantsika izao Paska izao.

Amin’ ny anaran’ ny Ilay Andriamanitra telo izay iray, ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Lala Rasendrahasina, Mpitandrina

Filohan’ ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV