DIAN’NY MPIVAHINY TANY ISRAELY ( Taona 2012)

NY RINDRIN’NY FITOMANIANA …..
DIAN’NY MPIVAHINY TANY ISRAELYny TAONA 2012Any amin’ny faritr’i Moyen Orient no misy an’Israel . Azo lazaina fa fihaonan’ny kaontinanta lehibe telo izy : AZIA , AFRIKA , EROPA .Voahodidin’ny Liban sy Syria i Israel any avaratra . Ny onin’ny JORDANA sy ny firenen’i Jordania kosa no any Atsinanana . Ny firenena Egypta any atsimo ary . ny ranomasin’i Mediterrannée any andrefana . Saika maro havoana sy tendrombohitra i ISRAEL, saingy azo tanisaina ihany koa ny lemaka manamorona ny ranomasina , ny lemaka eo afovoantany ary ny vallée an’i Jordana .Noho izy fihaonan’ny kaontinanta lehibe telo dia maro ireo firenena tonga nanafika an’Israely . Nandrava zavatra maro izy ireo ary nanorina fiangonana na tranobe mifanaraka amin’ny finoany avy . Azo tanisaina amin’izy ireny ny Romana , ny Armeniens , ny Silamo , ny Grika … Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Kristy sy nahatongavany tety ambonin’ny tany dia ny Emperora Auguste sy ny Emperora César Tiberé (24 -37 après J.C) no nitondra . Marihina moa fa ny mpanjaka tao Jerosalema dia i Heroda ary Procureur Jeneraly tamin’izany dia i Pontias Pilate na i Pontio Pilato .Tany kely ihany i Israel satria mirefy 21.000 km2 izy ary TEL AVIV no renivohitra . 8 Tapitrisa latsaka kely no isan’ny mponina . Anisan’ny tokony ho fantatra fa zanatany Anglisy izy taty aoriana ary tamin’ny taona 1947 no nahaleo tena . Niady naharitra 6 andro tamin’ i Egypta sy Syria ary Jordanie izy tamin’ny taona 1967 ary nandresy azy ireo . Noho izany , mbola nitatra ny tanàna . Teny telo no tenenina sy soratana ao Israely : ny teny Hebreo , ny teny Anglisy , ny teny Arabo…………………………………………………………………………………………..

NY TANANAN’ i JEROSALEMA

Ny mpanjaka Solomona no nanorina ny tanànan’i JEROSALEMA, izany hoe : taty amin’ny taona 950 talohan’i Kristy tany ho any . Voahodidin’ny tanàna vato ny tanàna izay mirefy eo amin’ny 4 Km ny manda rehetra manodidina .Notafihan’ny fahavalo hatrany ny tanàna nandritra ny taona na taonjato maro . Anisan’ireny Arméniens , ny Musulman, ny Byzantin , ny Turc, ny Romana .Araka izany dia nopotehin’ny mpandresy hatrany ny zava-nitsangana teo aloha ary nanorenany zavatra hafa indray : trano , Mosqué, Fiangonana .Ankehitriny dia misy quartiers efatra ao :- ny quartier Arméniens- ny quartier Musulman- ny quartier Juif- ny quartier ChrétienDia hita ao amin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny io koa ny Synagogue , ny Mosqué sy ny fasan’i David, ny tsena , ny tranon’olona tsotra sy ny Rindrin’ny fitomaniana .Marihana fa misy vavahady 12 no miditra ao amin’ny tanànan’i Jerosalema , mitovy isa amin’ny zanak’i Jakoba , izay ireto avy ny sasany amin’izy ireo :La porte de DamasLa porte de JaffaLa porte de MevasseretLa porte de Ein KessemLa porte de BethlehemLa porte du Mont SionLa porte de BethanieLa porte des LionsLa porte du Mont SamuelLa Nouvelle porte …Miitatra ny tanàna ka manorina trano eny ivelany amin’izay ny olona . Ireny no atao hoe : La nouvelle ville »…………………………………………………………………………………………………

NY TANANAN’ I BETLEHEMA :ny toerana nahaterahan’i Jesoa Kristy

Ny dikan’ny teny hoe : BETHLEMEN dia tranon’ny mofo amin’ny Hebreo . Toerana tsy lavitra an’i Bethlehem . Eo aminn’y 9 Km miala an’i Jerosalema izy . Folo minitra eo ho eo ny faharetan’ny làlna . I Bethlehem dia faritra an’ny Palestine , izany hoe : ireo Arabo Palestiniana no mifehy sy mitantana azy . Noho izany , izay te-hitsidika na hamangy io tanàna Masina io dia tsy maintsy mitondra Passeport .Mizara telo ny nanorina ny Fiangonana ankehitriny : ,y Armenien, ny Ortodoxe sy Catholique. Ireo azo antsoina hoe : Eglises de la Nativité Tsara ny milaza fa rehefa hiditra hijery ny grotte de Nativité na ny toerana nahaterahan’i Kristy dia mahavita ora maromaro , na 2na 3 na 4 vao tafiditra ao satria marobe ireo vahiny mpitsidika . Manaraka izany , alohan’ny hahatongavana ao amin’ny grottes de la Nativité dia tsy maintsy mandalo ao amin’ny Basilique na ny Fiangonana . Alohan’ny hiditra ny Basilique anefa ianao dia tsy maintsy miditra eo amin’ny varavarana tery sy iva . Noho izany , tsy maintsy miondrika , izany hoe : manetry tena satria ny fanetrentena no anisan’ny toetra takiana amin’ny kristiana .Mampahatsiahy amin’ny tsirairay ihany koa ny fanetrentenan’ny Mesia izay teraka tao an-tranonomby .Dia nidina ny zanatohatra 14 ny mpitsidika , 14 satria 14X3 izany hoe : 42 ny taranak’i Abrahama hatreo amin’i Jesoa Kristy . Marihana fa ny mpan jaka Davida dia teraka tao Betlehema. Misy sarina . Misy sarina kristiana eo amin’ny toerana nahaterahan’ny Mpamonjy ary ery zmin’ny ilany ny ahitra sy ny fihinanam-bilona .Raha vao teraka na tonga tety an-tany i Kristy dia nisy anjely nilaza ny vaovao mahafaly tamin’ny Mpiandry ondry . Tao amin’ny tanàna atsinanan’i Bethlehem antsoina hoe : BEIT SABUR no nitranga izany vaovao mahafinaritra nolazain’ny anjely tamin’ny mpiandry ondry izany . Bethlehem , tsy tanàna kely intsony ankehitriny fa tanàna miitatra sy mihalehibe ary mihamaro ny mponina .R.F………………………………………………………………………………………….

TANANAN’I NAZARETA ….

Ao amin’ny faritr’i Galilia no misy ny tanànan’i Nazareta . Efa mandroso ho alina ihany no andro vao niditra an’i Nazareta ny fiarabe nitondra ny mpivahiny . Raha vao miditra ny tanànan’i Nazareta dia tsapa avy hatrany fa midadasika sy mandroso ny tanàna na dia somary maloto aza.Mizara roa miavaka tsara ny tanànan’i Nazareta . I Nazareta ambony izay antsoina hoe : Nazareta Illit , tao ny mpivahiny no nipetraka , fa i Nazareta ambany dia miorina eny amin’ny lohasaha .Eo amin’ny 70 000 eo ho eo ny mponina eto Nazareta ary Jiosy Israeliana sy Jiosy Silamo ary kristiana no ankabeazan’ny mponina ao . Betsaka ny trano ary mifanety tokoa izy ireo . Tsy misy loatra ireo trano mijoalajoala fa trano ivaiva misy rihana roa , telo na efatra ny ankabeazany . Betsaka ny hotely goavana sy tsara eto Nazareta . Izany no midika fa be ny vahiny mpitsidika .Teto Nazareta no nilazan’ny Anjely Gabriel tamin’i Maria ny hiterahany zazalahy atao hoe : JESO, zanaky ny Avo indrindra araka ny LIOKA 1 ;31-33. Tao Nazareta no tanàna niainany nandritra ny fahazazan’i Jeso sy nahalehibe Azy araka ny Matio 2.23 sy Lioka 2.52 .Voalaza anefa fa ny 70 isanjaton’ny mponina ao Nazareta dia Silamo avokoa . Ny 30 isanjato dia ifampizaran’ny kristiana ary ny Jiosy Israeliana tsy manaiky an’i JESOA ho MESIA ary ny tsy mpino rahateo …………………………………………………………………………..

NY TANANAN ’I JERICHO

Ny tanànan’i JERICHO no tanàna anisan’ny niorina voalohany teto ambonin’ny tany , rehefa nitsahatra nifindrafindra toerana ny olombelona noho izy ireo nivelona tamin’ny haza sy ny fiotazana . Nanapa-kevitra rizareo fa hijanona amin’ny toerana iray ka hamboly amin’izay . Dia nanomboka nisy ny tanàna . Tany amin’ny taona 7000 talohan’i Jesoa Kristy no niorenan’ny Tanànan’i JERICHO .Tanàna miorina anatin’ny tany hay ( desert ) i Jericho . Maina sy ngazana ny tany rehetra manodidina . Teo amin’io faritra sy tendrombohitra ngazana io no nakan’ny devoly fanahy an’i Jesoa Kristy . Manaraka izany , nandalo teo amin’ny tanànan’i Jericho i Jesoa raha handeha ho any Jerosalema . Raha nandalo teto Jericho i Jesoa dia nisy lehilahy anankiray mpamory hetra, mpanakarena nihazakazaka nialoha ary niakatra teo ambony aviavy noho izy fohy kanefa te-hahita an’i Jesoa. Niantso azy ny Tompo ary niditra tao an-tranony ka nanonona ny FAMONJENA ho an’i Zakaiosy .Mbola maniry eo an-tananan’i Jericho io aviavy io . 2012 taona mahery no nijoroany teo . Hazo notahiana satria nitrotro ny lehilahy iray voavonjy . Mbola maitsy ny raviny . Hita efa ho antitra ihany ny vatany . Velona ny hira fiderana sy vavaka nansandratra ho an’Andriamanitra teo am-pahitana izany rehetra izany .Kristiana an-tapitrisany maro no efa nidera an’ Andriamanitra teo amin’io toerana io avy amin’ny firenen-drehetra maneran-tany .R.F…………………………………………………………

NY TANANAN’I BETANIA …

Ao atsinanan’ny tendrombohitra Oliva no misy an’i Betania . Tananan’i Arabo izy io ary EL-AZZARIEH no iantsoana azy ankehitriny . I Betania no niantsoana azy taloha .Raha nandeha hihazo an’i Jerosalema i Jesoa dia nandalo tao Betania . Tanan-dehibe ihany koa i Betania ary trano moderna no hita ao . Ny làlana vita tara avokoa ary maro ny mpivarotra . Ao Betania no misy ny fasan’i Lazarosy , anadahin’i Marta sy Maria (Jao 11.1-44) . Maty noho ny aretina nahazo azy i Lazarosy kanefa noho ny fitalahoana tamin’i Jesoa dia nampiseho ny Voninahitr’ Andriamanitra i Jesoa ka nanangana azy tamin’ny maty . Mbola ao io fasan’i Lazarosy o ary marobe tokoa ny kristiana mitsidika sy miditra ao ho fisaorana sy fankalazana ny Anaran’ Andriamanitra izay naneho zava- mahagaga teo amin’io toerana io .Misy fiangonana naorina eo akaikin’izany toerana izany dia ny Eglizin’ Saint Lazare .Tao Betania ihany koa , tao an-tranon’i Simona boka no nanosoran’ny vehivavy anankiray menaka manitra ny tongotr’i Jesoa araka ny Filazantsaran’i Matio 26.6-13 . Marihana fa tao Betania no nisy ilay aviavy mandrobona tokoa saingy tsy misy voany , tsy namokatra ka nozonin’i Jesoa araka ny Matio 21.18 sy Marka 11.12-14 . Mazava ho azy fa tsy hita tao intsony ireo aviavy ireo satria efa nokapaina fa manimba ny tany ………………………………………………………………………………………………..

KAPERNAOMY(Ranomasin’i Galilia Mont des Béatitudes)

Teo amin’ny Lac Tiberiade no niantsoan’i Jesoa Kristy ireo mpianany efatra mirahalahy dia i Simona Petera , i Andrea , i Jakoba sy i Jaona araka ny Matio 4.18-22 / Marka 1.1-16 / Lio 5. 1-11 . Mpanjono sy mpanarato avokoa izy ireo . Lehibe ny farihin’i Tiberiade. Tsy lavitra fa eo ambonin’ny Farihin’i Tiberiade eo ny Tendrombohitra nitorian’i Jesoa Kristy teny ka nilazany ny fitondrantena mendrika sy toetran’ny kristiana ( Mont des béatitudes ) araka ny Filazantsara nosoratan’i Matio ( Matio 5) .Nanorenan’ny Mpitondra sy Mpisorona Katolika Chapelle eo amin’ny Mont des Béatitudes io . Maitso mahafinaritra ny manodidina eo satria misy zaridaina feno voninkazo tsara tarehy . Ao no ahitana ny mofo dimy sy hazandrano roa nentin’ilay zazalahy kely ary nampitomboin’i Jesoa .Dia novangiana indray ny vohitra kelin’i Kapernaomy . Vohitra kely , hoy isika nefa Masina tokoa ny zava-boatahiry ao .Tao ny tanànan’i Simona Petera . Tao no nanasitranan’i Jesoa Kristy ny rafozany . Tao no nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy nararin’ny paralysisa araka ny Matio 9.1-8 ; Lio 5. 17-26 .Teo ihany koa no tanàna nijanonan’i Jesoa Kristy nandritra ny telo taona …………………………………………………………………………………………………..

NY TENDROMBOHITRA OLIVA

Araka izany anarana izany , ny Tendrombohitra Oliva dia havoana rakotra hazo Oliva tamin’ny andron’i Jesoa Kristy. Taty aoriana dia nokapain’ny Romana avokoa ireo hazo ilove ireo . Tany amin’ny taona 70 taorian’i Jesoa Krisyty no niseho izany fikapana ny hazo izany .Ny Tendrombohitra Oliva dia mitahiry tantara masina nanomboka tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha ary mitohy aty amin’ny fotoan’ny Testamenta vaovao izay fotoana nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany .Teo amin’ny tendrombohitra Oliva no nadosiran’i Absaloma araka ny 2 Samoela 15.30 . Teo no nanaovana fanatitra tamin’ny andro fanavotana araka ny Levitikosy 16 sy Hebreo 9.13 . Teo no nilazan’i Zakaria mpaminany ny amin’ny hanadiovana ny Israely araka ny Zakaria 14.3-4.Teo amin’ny tendrombohitra Oliva no nampianaran’i Jesoa ny mpianany sy nitomaniany mikasika izay hanjo araka ny Lioka 19.37 ) . Teo no nankany ampondra hiakarany any Jerosalema alohan’ny Paska .Tao Getsemane no nisamborana Azy .Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva no niakarany any an-danitra . Eo ihany koa no mbola hiverenany am-pamirapiratana rehefa tonga ny farany .Lasa tànan-dehibe ny Tendrombohitra Oliva . Mideza ny mankany saingy mahatazana ny mandidina rehetra izay mikajy tantara maro ao amin’ny Baiboly . Be tokoa ny mpivahiny masina na ny mpijery sy mpitsidika an’i Jerosalema no mitsangatsangana eny . ………………………………………………………………………………………….

NY RINDRIN’NY FITOMANIANA

Rehefa tafiditra ao amin’ny rindrin’ny tendrombohitr’i Ziona dia mizotra mankany amin’ny Rindrin’ny Fitomaniana , MUR DES LAMENTATIONS . Midina any ambany any no misy ny rindrin’ny fitomaniana . Ampahany tsy rava tamin’ny fiangonana lehibe naorin’ny mpanjaka Solomona izy io . Raha resin’ny Byzantin ny Israely dia narodany io fiangonana io ary ampahan-drindrina sisa tavela . Tsara koa ny milaza fa tamin’ny fotoana nanorenana ny fiangonana dia nitsodrano ny mpanjaka Salomona hoe : »Eto no toerana fibebahana sy fangatahana izay rehetra fanirian’ny zanak’olombelona na Jiosy na vahiny  » .Dia eo amin’io ampahandrindrin’ny fiangonana tsy rava io no italahoana sy angatahan’ny rehetra ny zava-tadiaviny . Nozaraina roa ny toerana . Aty ankavia no mangataka ny lehilahy ary aty ankavanana kosa no toerana fangatahan’ny vehivavy . Akanjo maontina no entin’ny vehivavy fa tsy azo atao mampiseho vatana . Atehaka amin’ny rindrina fitalahoana ny tànana roa ary dia mitalaho eo ny mpino ny Telo izay Iray : Ray , Zanaka , Fanahy Masina . Matetika dia soratana ny faniriana ary asisika eny anelanelany eny ilay taratasy kely . Marihana fa ankoatra ny vahiny dia tsy vitsy ihany koa ireo Jiosy kristiana mangataka sy mitalaho eo . Misy rano azo sotroina aty ivelany . Tsy azo atao ny miamboho ny rindrina fa mihemotra ary manatrika azy hatrany ny mpangataka rehefa handeha ……………………………………………….

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV