Alahadin’ny FFP 2016

FANDAHARANA IOMBONANA

- Feonjavamaneno- Fiarahabana Apostolika- Fiantsoana sy fiderana ny Anaran’ny TompoSal 111Hira 24.1,2,4Vavaka fiderana- Fanambarana ny sitrapon’ AndriamanitraMpitarika : Isa 45.11-13Besinimaro : « sambatra ny mahitsy làlana …Hira 18.2,4- Fiaiken-kelokaVavakaHira 408.5,6- Teny famelan-kelokaMpitarika : Efe 2.8-10Besinimaro : « Sambatra ny olona izay voavela ny helony …Hira 21.3- Fanekem-pinoana lah.4- Feon-javamaneno- Fotoana ho an’ny Sekoly Alahady- Raharaha sy famakiana ny Hafatry ny Sampanasa FFP- Rakitra +Hira 305 na Antoko mpihiraFanolorana ny Rakitra- Hira 309.1,3- Vavaka- Famakiana ny Soratra masina : Isa 40.9-11/Jao 9.8-17 /Efe 4.11-16Besinimaro : « Ray masina ô …- Hira 482.1,4,5- Toriteny- Vavaka fangatahana sy Rainay izay any an-danitra …- Hira 741- Tsodrano- Vavaka mangina faranana amin’ny « Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina . Amena »- Feonjavamaneno

HAFATRA

Ry havana,Ho aminareo ny fahasoavan’ny TompoAm-pifaliana indray no hanolorana ny fiarahabana ho antsika mpianakavin’ny finoana ato amin’ny sahan’ny FJKM , amin’izao Alahady natokana ho an’ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinampinoana (FFP) izao .Noho ny fahasoavan’ny Tompo dia hiatrika lohahevitra vaovao indray isika fiangonana dia : « Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » 2 Tim 1.8. Hiombona amin’izany àry isika . Koa hevero fa andro izao ho fijoroantsika manoloana ny Tompo sy ny izao tontolo izao . Tsy maintsy manaiky isika fa ny Tenin’ Andriamanitra irery no hifotorantsika sy hijoroantsika ho vavolombelona amin’ny maha-olona rehetra sy ny maha- olona manontolo . Herezo àry . Izany koa no hisaorantsika ny Tompo sy ianareo fiangonana tamin’ny asa niarahana ka niombonana sy mbola hiombonana tamin’ny lasa .Toy ny mahazatra dia misy ny fandaharana iombonana izay nalefa isam-piangonana ary mirakitra izao hafatra vakina izao . Tsy hohadinointsika koa anefa amin’ity andro ity ny fitondrantsika am-bavaka ireo asa samihafa iandraiketan’ny Sampanasa FFP , ary ny fanohanana ny fanatanterahana ireo asa amin’ny alalan’ny Rakitra sy fanomezana manokana ho an’ny Sampanasa FFP . Koa mankasitraka antsika rehetra ami’ny fiaraha-miasa .Fa hoy ny Soratra masina : « Fiadanana anie ho an’ny Rahalahy ary FITIAVANA mbamin’ny FINOANA avy amin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo . Ny FAHASOAVANA ho amin’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona « (Efe 6.23-24)Ny Biraon’ny Sampanasa FFPNy Filoha RAMAMONJISOA Philibert, MpitandrinaNy Tale,RAKOTOARIMANANA Nirina , Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV