FFPM / FIFANDIMBIASAN-TOERANA

FANAOVAMBELONA SY FIFAMPIARAHABANA

Notanterahana ny Talata 20 Septambra 2016 maraina tao Vohipiraisana Ambohijatovo ny fanompoam-pivavahana ho fanaovam-beloma sy fankasitrahana ny Filoha roa lahy , ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja sy ny Pastora RAKOTO Endor Modeste , ary ny Fiarahabana sy firariantsoa ny Filoha roalahy vaovao .

Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nanatanterahana ny fiarahabana ireo Filoha mirahalahy handimby toerana eo amin’ny fitantanana ny Fiombonan’ny Fiangonana kristiana Protestanta eto Madagasikara (FFPM)

Andriamatoa RAMITSIRIHAJA A. Nary , Mpandraharahan’ny FFPM no nitarika ny Fanompoam-pivavahana , ary Andriamatoa ZAKAZAFY Etienne , Mpitandrina , Tonian’ny FFPM kosa no nitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra , izay nalaina tao amin’ny ROMANA 12.3-8

Famintinana ny Toriteny :

Na dia samy manana ny asany aza isika , ary samy manana ny fanomezam-pahasoavany dia natao hifameno haneho ny tenan’i Kristy . Misy ihany anefa ny mahatsiaro ho lasa ambony kokoa ka manjary manambany ny hafa . Hoy ny and 3 : «  Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina… ». Ao amin’ny fiombonana no tena isehoan’ny tena maha-izy antsika . Tsy tokony hisy ny hanambony ny tenany na hanambany ny tenany fa samy ilaina avokoa isika rehetra hanehoana ny asan’ Andriamanitra . Noho izany , tsy maintsy mandini-tena isika manoloana ny zava-misy . Ekena fa tsy maintsy misy ny tsy fitovian-kevitra , ary fantatr’ Andriamanitra hatrany am-boalohany izany , nahatonga ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpianany hoe : « mba ho iray ihany izy rehetra ». « Fa isika na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy » (and 5) , nefa aoka hotandrovina fatratra ny maha-iray antsika , ny maha-samy Protestanta antsika . Miombona ao anatin’ny fahasamihafana isika . Misy ny tsy maintsy arindra , ampandeferina mba hahatanteraka izany fiombonana izany . Tsy maintsy miezaka mifampihevitra , mifampihaino , mifanome lanja araka ny maha- izy ny tsirairay .

Fandraisam-pitenenana :

Nambaran’ny Filohan’ny FFPM amperinasa , ny Pastora RAKOTO Endor Modeste , fa faniriany dia ny hisian’ny filaminana tsara eo amin’ny fifandimbiasan-toerana. Nametra-beloma ny tenany satria efa feno taona ka hipetraka ary any Ankaramalaza . Any no ho fonenan’izy mianakavy . Izy no nanolotra ny Filohan’ny FLM vaovao , Andriamatoa RAKOTONIRINA Davida , sy ny Birao voafidy tany amin’ny Synoda Lehibe FLM .

Ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja , Filohan’ny FJKM teo aloha kosa no nanohy ny fandraisam-pitenenana, ka fisaorana an’ Andriamanitra noho ny nahafahana niasa nanompo teo anivon’ny FFPM no nanombohany ny fitenenany . Nisy ny efa tontosa fa misy koa ny mbola miandry toy ny fananganana ny Radio Protestanta , ny fitantanana ny fananana samihafa …Izy ihany koa no nanolotra ny Filohan’ny FJKM vaovao , Andriamatoa IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina sy ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM , lany tany amin’ny Synoda lehibe farany teo .

Teo amin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny FLM vaovao ,ny Pastora RAKOTONIRINA Davida dia nasehony ny fahavononany hampandroso ny firaisana . Nentaniny ny solotenan’ny kristiana mivondrona ao amin’ny FFPM mba hiaraka hampandroso ny asan’ny FFPM .Tsy mihambo hahavita irery fa miankina amin’ny herin’ny Fanahy Masina .

Notsipihan’ny Filohan’ny FJKM vaovao, ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi kosa fa tsy maintsy ravana ny endriky ny fihatsarambelatsihy rehetra mba ho fiaraha-miasa tsy misy fangalam-piery no iarahana . Tsy mahazo diso fahavalo isika . Hafa ny fahavalontsika ary tsy maintsy ravana izany . Miara-mandroso , miaraka isika amin’ny maha-protestanta antsika .

Nofaranana tamin’ny nofo-kena mitam-pihavanana ny fiombonana teo anivon’ny fiankaviamben’ny FFPM .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Nangonin-dRamatoa SAHONDRAMALALA Vololona

(AFIFAB / Site web )

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV