Mofonaina

Alakamisy 28 Martsa 2024

Marka 14. 22-25

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Amin’izao Alakamisy Masina izao dia mampahatsiaro antsika indray fa i Jesoa dia manao fanekena vaovao amintsika. Ny Fanekem-pihavanana vaovao izay nataony dia famonjena sy fanavotana antsika amin’ny fahotana mba ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra isika. Lehibe ny fitiavany antsika mpanota ka:

1. Manolotra ny tenany Izy:

Ny tenan’llay zanak Andriamanitra tsy nanan-tsiny sy feno fahamasinana no nanaiky hitondra ny fahotantsika ka nijaly nohombohana tamin’ny hazo fijaliana. Tsaroantsika ve fa tsy mba trano nipetrahan’olona no nahaterahany fa trano nitoeran’ny biby? Fanomanana sahady ireny fa tsy ny biby intsony no natao fanatitra noho ny otantsika fa ny Tenany. Fitiavany lalina loatra izany ka tsara fandinika amin’izao andro anio izao. « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jao. 15.13)

2. Manolotra ny rany Izy:

Nalatsany ho antsika ny rany, mba hitondra famelan-keloka sy famonjena ho antsika, hahatonga antsika ho vita fihavanana amin’Andriamanitra. Ny hazo fijaliana no toerana nandatsahany izany rany izany. Koa izay rehetra mibebaka ka miala amin’ny ratsy fanaony ary miverina na mitodi-doha amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tonga voavela heloka ka ho tonga zanak Andriamanitra noho izany rà nalatsany izany.

Fanontaniana:

Ahoana ary no ataontsika hisitrahantsika izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Hafatry ny Filoha / Des 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Mba hanjaka anivontsika
Ny fahamarinana madio
Tsy anjakan’ny kolikoly
Sy risoriso, fahalovana
Amin’ny endriny rehetra;
Fahalovana izay hita
Miharihary fa mandoza
Ity tanindrazantsika ity
Nefa, indrisy, fa inian’
Ireo izay tsy mataho-tody
Atao ihany, atao ihany,
Hanangonana harena
Hahatonga hatraiza anefa?
Fa rehefa hiala ety
Angaha hisy hahatondra
Na dia hoe iraimbilanja?
Nefa dia atao ihany
Hambotriana firenena,
ka tsy mampaninona azy,
na dia hitofezaka aza,
na dia handry andriran’antsy
ny vahoaka maro an’isa,
izy kosa higalabona
ao anaty harena be
maimbo alahelon’olona
sy tomanin’ny vahoaka!
Ny hamaranana an’izany
Fomba ratsy izany indrindra
No antony ilazana hoe:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Vaovao farany

Fepetra : – 18 taona no ho miakatra ka tsimaintsy efa nianatra tamin’ny ambaratonga ambony – Vonona hanolontena amin’ny asa…..

March 2024

LP Vinet Ambohimalaza

SAMPANA MPANAZAVA SY TILYFOFIKRI ILAFY, 16-17 FEBROARY 2024 « Miorena tsara aza miova. » 1 Kor.15,58« Aoka hirehitra ny jironareo. » Lio.12,35« Mitsangàna mihazavà fa…..

MAMPITANDRINA AMIN’ NY DIDINY ANDRIAMANITRA ANDRO TENY HOVAKINA 01 Josoa 1.1-9 02 Deoteronomia 26.16-19 03 2 Jaona 1-6 04 Eksodosy…..

Perikopa 2024

Martsa: MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO

| | 28. Alakamisy Masina
Eksôdôsy 24. 1–8 | Marka 14. 22–25 | Hebreo 9. 15–22

| | 29. Zoma Masina
Fitomaniana 3. 52–66 | Marka 15. 16–28 | 2Korintiana 13. 1–4

| | 31. PASKA
Isaia 49. 8–13 | Marka 16. 1–8 | Romana 9. 1–5

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 07. Alahady I manaraka ny Paska
Eksôdôsy 13. 17– 2 | Jaona 21. 1–14 | Asa 26. 12–18

FJKM Fahazavana

S/P ANTANANARIVO ANDREFANA – FJKM ANTANETIBE FITIAVANA

MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO